Asa 16: 16-34

Andininy
Protestanta Malagasy
16
Ary raha nandeha ho any amin'ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan'ny tompony harena be.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|123C06BF-1A94-46C7-968C-C8C51FB87757
17
Izy nanaraka an'i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo làlam-pamonjena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FECE7EDE-65CA-44E6-A635-4FC388F076E6
18
Ary nataony tamin'ny andro maro izany. Ary, sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin'ny fanahy hoe: Mandidy anao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy . Dia nivoaka tamin'izany ora izany indrindra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B644A66-697A-47EE-8C7F-4BF66FCCA329
19
Ary nony hitan'ireo tompony fa very ny fanantenany hahazoany harena, dia nisambotra an'i Paoly sy Silasy izy ka nitondra azy ho any an-tsena any amin'ny lehibe;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|021F1FF2-7035-4A02-8700-C3D40FD69273
20
ary rehefa nentiny tany amin'ireo governora izy roa lahy, dia nolazainy hoe: Ireto lehilahy Jiosy ireto mampitabataba ny tanànantsika loatra
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E87494BF-48BD-459D-85B5-E3A0F5420EC5
21
ka mampianatra fanao tsy mety horaisintsika na hataontsika, fa Romana isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FB3AA94-1D1D-4074-B212-6AD902382E28
22
Ary ny vahoaka niara-nitsangana hamely azy; ary ireo governora nanaisotra ny lambany, ka nasainy nokapohina tamin'ny hazo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B260C14-4568-4339-B9C1-828B70D827B0
23
Ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-trano-maizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry trano-maizina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F0557A7-018F-4A81-ACB8-BC3C5BC89FAD
24
Ary rehefa nahazo teny toy izany- ralehilahy dia nataony tao amin'ny trano-maizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tamin'ny boloky hazo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EE4DF65-F7A4-42B4-97AD-7F40D5086ECC
25
Ary nony namatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6F629F7-4ABE-45E8-9B1E-25935F47B0CC
26
Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan'ny trano-maizina; dia nivoha niaraka tamin'izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran'izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD1EFCE1-5E2A-4BF1-AE02-0304829682A3
27
Dia nahatsiaro ny mpiandry trano-maizina ka nahita ny varavaran'ny trano-maizina nivoha, dia nanatsoka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B6D77DE-363D-43C3-984B-82E4F139CA31
28
Fa Paoly niantso tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CE67163-F889-472F-B17D-38C6D41C7E31
29
Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan'i Paoly sy Silasy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E527E14-D5C7-47F2-A957-2731431283A3
30
Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50CB0466-3801-4DEC-A602-9024E2A46B84
31
Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B8FBC74-5E58-4309-AB36-C0A4B4F7FB54
32
Ary izy roa lahy nitory ny tenin'ny Tompo taminy sy tamin'izay rehetra tao an-tranony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDAEFBEC-62CB-425F-88F0-37A81DD26C02
33
Ary nandray azy roa lahy izy tamin'izany ora amin'ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin'izay izy mbamin'izay azy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|323C4F30-48DB-4B36-931A-1FB516F7D795
34
Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin'izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCC481CC-160D-4B86-92A3-1D5BBA795ABE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany