Asa 16: 6-10

Andininy
Protestanta Malagasy
6
Ary rehefa noraran'ny Fanahy Masina tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C971F42-666A-47C5-BB90-5CB2846F31FC
7
ka efa tonga tany an-tsisin'i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan'ny Fanahin'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFE780E0-B535-440B-AAAE-C2FAD3C1303C
8
Ary rehefa nandalo an'i Mysia izy, dia nidina nankany Troasy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF00A97C-4587-427C-AEC1-8EA53432C809
9
Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin'i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|565860A8-FA0A-4C38-AED8-6EB0DF6956EE
10
Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin'izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin'ny olona any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08C8DB6A-5AC5-4D8A-BFE1-F66481430A1E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany