Asa 17: 1-34

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa nandeha namaky an'i Amfipolia sy Apolonia izy, dia tonga tao Tesalonika, ary nisy synagogan'ny Jiosy tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69CAFC82-3621-4BCB-9ACA-BDBE0C6F2E04
2
Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin'ny Soratra Masina tamin'ny olona tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C9DAAEB-0545-4B4F-A402-E973FA204702
3
Dia nanambara izy ka naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin'ny maty Kristy; ary Jesosy, Izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4980D21-8A7C-495E-9F91-0BBF4879FC89
4
Ary ny sasany tamin'ireo dia nino ka nanampy ho isan'ny mpianatr'i Paoly sy Silasy, ary maro be koa tamin'ny jentilisa izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin'ny vehivavy nanan-kaja.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C16FB52A-1905-49E6-A6C9-E0DB016E6F6B
5
Fa nialona ny Jiosy ka naka olona ratsy fanahy teny an-tsena ary nahavory vahoaka betsaka, dia nampitabataba ny tanàna ka namely ny tranon'i Jasona ary nitady hamoaka azy roa lahy ho ao amin'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B544282-048F-4A86-875A-E08657AA224E
6
Ary raha tsy nahita azy roa lahy izy, dia nisarika an'i Jasona sy ny rahalahy sasany ho eo amin'ny lehiben'ny tanàna ka niantso mafy hoe: Tonga aty koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DAF581A-D6FE-4724-A295-FB29E66CF76B
7
ary efa nampandrosoin'i Jasona izy, ka izy rehetra ireo manohitra ny tenin'i Kaisara, satria izy milaza fa misy mpanjaka hafa, dia Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21B4B34E-8135-4F19-83C6-6E3D50A6FC4C
8
Dia taitra ny vahoaka sy ny lehiben'ny tanàna, raha nahare izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|823F83E9-0BEF-4B5D-8AFF-6D90C7974D37
9
Ary rehefa nasainy nametraka antoka Jasona sy ny sasany teo aminy, dia navelany handeha izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5D92D71-E591-4D8F-BB1F-532964D14872
10
Ary Paoly sy Silasy dia nampandehanin'ny rahalahy niaraka tamin'izay nony alina hankany Beria; koa raha tonga tany izy, dia niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93B8956E-A791-476E-820A-160BA160DCF1
11
Ary ny teo-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B728C27-4C9F-4222-8475-23BD0513D4D1
12
Koa maro tamin'ireo no nino, ary tsy vitsy tamin'ny vehivavy jentilisa nanan-kaja sy ny lehilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B80D6F9-35D2-475D-9DDC-B4738D944FF5
13
Fa raha ren'ny Jiosy tany Tesalonika fa Paoly nitory ny tenin'Andriamanitra tany Beria, dia nankany izy ka nampikotrana sy nampitabataba ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EBDC6C3-2AA3-408A-BAD4-16CB8EA8B4E9
14
Ary niaraka tamin'izay dia nasain'ny rahalahy nandeha hatrany amoron-dranomasina Paoly; fa Silasy sy Timoty kosa dia mbola nijanona teo ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24F45DC0-D5E0-4EE4-A42B-3DBAE3B688CF
15
Ary izay nanatitra an'i Paoly dia nitondra azy nankany Atena; ary rehefa nahazo teny holazainy amin'i Silasy sy Timoty izy mba hankanesan'izy roa lahy any aminy faingana, dia lasa nandeha ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA5F64CB-64AD-41FC-ACA6-9A4B2018B553
16
Ary raha niandry azy tany Atena Paoly, dia taitra tao anatiny ny fanahiny, raha nahita ny tanàna feno sampy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC4731E4-1B55-445E-A817-826A036E9667
17
Ary izy niady hevitra tamin'ny Jiosy sy ny proselyta tao amin'ny synagoga sy tamin'izay tafavory tany an-tsena isan-andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|837A7EDB-0A55-4323-84EC-4596F82CEA32
18
Ary ny olon-kendry sasany tamin'ny Epikoreana sy ny Stoika nanohitra azy koa, ka hoy ny sasany: Inona no tian'io mpibedibedy io holazaina? Ary hoy kosa ny sasany: Toa mitory andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan'ny maty no notoriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D99854EC-E99A-4AF3-87B0-5C8B181E236C
19
Ary ireo naka azy, dia nitondra azy ho any Areopago ka nanao hoe: Moa mba mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany izahay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20096E22-CA4F-4CB0-8CE3-A28D92A50BF3
20
Fa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray hianao; koa tianay ho fantatra izay hevitr'izany zavatra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A05C412-8680-4A9A-B8A7-3C82606F6F4E
21
(Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo tsy nandany ny androny tamin'ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao.)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5E7F2B7-12FF-478F-AB9C-A3F08F844C1D
22
Ary Paoly nitsangana teo afovoan'i Areopago ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin'ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin'ny andriamanitrareo indrindra hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C4DE0D3-2F68-4F2F-AC85-4DDBB30008E5
23
Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: Ho AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D83C8B40-D588-4CCF-820E-15BC4C9241BE
24
dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, Izy no Tompon'ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tànana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|067B6AE3-C11C-40B3-B9B9-327D07AEA0FA
25
sady tsy mba tompoin'ny tànan'olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofonaina ary ny zavatra rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92AF6BB0-E25C-4F0D-AC0A-319667FF1BB4
26
ary ny firenena rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin'ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan'andro sy ny faritry ny fonenany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED98DCCA-FD2E-46FB-A471-5D3E12389476
27
mba hitady an'Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EBF94A7-22B4-4279-B42C-682774A9D225
28
fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF5BDB22-CFD3-49D2-AF04-7BBF79B6E691
29
Ary satria terak'Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban'Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafosy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain'olombelona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2BB8CDA8-002E-4EE8-A80E-E7A016600543
30
Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka,,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|689C50CA-3E5C-4220-8B88-731D9C6F1506
31
satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|217EC5C2-1AD7-4246-B9E5-FC213926F2C8
32
Ary raha nahare ny amin'ny fitsanganan'ny maty izy, dia nihomehy ny sasany; ary ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin'izany zavatra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A1F04AE-2E80-4129-A66F-278B2A33E320
33
Ary Paoly dia niala teo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0DC7A33F-77CF-4087-B2EF-3C4B233779C9
34
Anefa ny olona sasany niray taminy ka nino; mba naman'izany Dionysio Areopagita sy ny vehivavy anankiray atao hoe Damary ary ny sasany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E64B64F8-F4CB-416E-BF63-4E36F9E81AF3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany