Andininy Protestanta Malagasy 1 Ary rehefa afaka izany, dia niala tany Atena Paoly ka nankany Korinto. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7570DF1D-F9D2-483D-94C0-022FBAC39685 2 Ary izy nahita Jiosy anankiray atao hoe Akoila, izay teraka tany Ponto, vao avy tany Italia, ary Prisila vadiny (fa Klaodio efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma), dia nankeo amin'izy mivady Paoly. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A26CE75A-28F9-4A0A-8461-9801D90B72C7 3 Ary satria niray raharaha taminy izy, dia nitoetra tao aminy ka niasa; fa ny manao lay no raharahany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84F75BF0-7A25-475A-A4F0-278789781B89 4 Ary niady hevitra isan-tSabata tao amin'ny synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy ny jentilisa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83B0A469-BA55-4EBD-AE58-A9955DF37CD6 5 Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin'ny teny Paoly ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no Kristy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AECDFEB5-0116-4542-8C9B-2C22C047EFE0 6 Ary nony nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy nanao taminy hoe: Aoka ho eo an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin'izao sisa izao dia hankany amin'ny jentilisa aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53342B4A-ACFC-4BF9-9E9B-E05BCADB2CB6 7 Ary raha niala teo izy, dia niditra tao an-tranon'ny lehilahy atao hoe Titosy Josto, izay nivavaka tamin'Andriamanitra; ary ny tranony nifanolotra tamin'ny synagoga. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DF27908-315B-4A83-BC2F-819EEE61735D 8 Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin'ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D7F877B-9991-4A41-95F9-C0B1604A9F16 9 Ary ny Tompo niteny tamin'i Paoly tamin'ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75A0724D-B880-40F8-98B1-49FAD28B75C8 10 fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin'ity tanàna ity Aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFBEF3DF-BC9A-4C60-B376-A952D2BFEEEC 11 Ary izy nitoetra teo herintaona sy enim-bolana ka nampianatra ny tenin'Andriamanitra teo aminy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21867C4D-CAA3-4BDD-8D48-FCEB6BF2F03F 12 Fa raha Galio no governora tany Akaia, dia niray tetika hisambotra an'i Paoly ny Jiosy ary nitondra azy nankeo amin'ny fitsarana, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8DDA143-7269-41EF-81ED-599B500434A0 13 ka dia nanao hoe: Ilehio mampanaiky ny olona hivavaka amin'Andriamanitra, nefa tsy araka ny lalàna. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9265B74-7D64-4B21-AA56-1273CEFA2D4C 14 Ary raha hiloa-bava Paoly, dia hoy Galio tamin'ny Jiosy: Ry Jiosy, raha misy heloka, na zavatra ratsy natao dia mety raha mandefitra aminareo aho; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|018D9172-9E44-484A-9539-ABCBB25F920E 15 fa raha ady hevitra sy anarana ary ny lalànareo kosa, dia ataovinareo ihany; fa izaho tsy te-hitsara izany raharaha izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A83A9B4-D91C-46BB-97E3-C02FB35631F5 16 Ary nandroaka azy hiala teo anoloan'ny fitsarana izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F21B769-8E51-49D4-A722-810D266807E3 17 Ary izy rehetra nisambotra an'i Sostena, mpanapaka ny synagoga, dia nikapoka azy teo anoloan'ny fitsarana. Nefa tsy nahoan'i Galio izany zavatra izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EEBA3F0-68AA-43D2-B929-CF4101590CC7 18 Ary Paoly mbola nitoetra teo andro maromaro ihany, ary rehefa nanao veloma ny rahalahy izy, dia niondrana an-tsambo nankany Syria, ary Prisila sy Akoila niaraka taminy koa; ny volon-dohany nohetezany tany Kenkrea, satria efa nivoady izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DF0083C-A587-42A0-AE85-BA60FCF32D12 19 Ary tonga tany Efesosy izy, dia nandao azy mivady teo Paoly ka lasa niditra tao amin'ny synagoga ka niady hevitra tamin'ny Jiosy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C217AD00-32DC-42DE-8917-E616E678575D 20 Ary nangataka azy hitoetra elaela kokoa ny olona, fa tsy nety izy, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B213EE48-1611-43CA-BDEE-C2F6CC006CED 21 fa nanao veloma azy ka nanao hoe: Mbola hiverina hankaty aminareo indray aho, raha sitrapon'Andriamanitra. Dia niondrana an-tsambo niala tany Efesosy izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D5F14F1-6F57-4D00-A73C-F9B0C8DC19B4 22 Ary rehefa tafatody tany Kaisaria izy, dia niakatra ka niarahaba ny fiangonana vao nidina nankany Antiokia. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9F42E98-3D8C-49B6-BE51-59377AA7FB24 23 Ary rehefa nitoetra tao elaela ihany izy, dia lasa nandeha nitety ny tany Galatia sy Frygia ka nampahery ny mpianatra rehetra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB9F9D13-0FAC-4CCF-986C-C69C4903E4F5 24 Ary tonga tany Efesosy ny Jiosy anankiray atao hoe Apolosy, izay teraka tany Aleksandria, lehilahy nahay nandeha-teny sady nahery tamin'ny Soratra Masina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D219F4A-FA6C-46E7-9588-6B1B1C27EBBE 25 Izany lehilahy izany efa nampianarina ny làlan'ny Tompo; ary nafana fo izy, dia niteny sy nampianatra marimarina ny amin'i Jesosy, kanefa ny batisan'i Jaona ihany no fantany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70994634-062D-4BFB-8EF7-E6C542101C88 26 Ary izy niteny tamin'ny fahasahiana teo amin'ny synagoga; ary rehefa nandre azy Prisila sy Akoila, dia nandray azy hankao aminy ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin'ny làlan'Andriamanitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|296CE41D-1DAA-49E7-B8B1-27F51A6B7C1D 27 Ary rehefa ta-handroso hankany Akaia izy, dia namporisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin'ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga izy, dia nampahatanjaka tsara izay efa nino noho ny fahasoavana; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2BDF54E-F63D-403B-BE17-BCF6832BD056 28 fa izy nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason'ny olona ka naneho marimarina tamin'ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63973475-EEE9-4717-9C82-A200757BBA8F
|