Asa 19: 1-41

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B335880-B9E4-4E60-85C4-2D9107125C63
2
ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino hianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69C1117B-61C1-460A-B0C9-3487863A6AE0
3
Ary hoy Paoly: Ho amin'inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin'ny batisan'i Jaona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|877BC522-6F55-4D8F-965B-517F8CA2EAF2
4
Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F28C1FC-9E92-46DB-A5DB-8617D4903668
5
Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74E549C9-3F28-402C-BCD8-BB84541A9903
6
Ary rehefa nametrahan'i Paoly tànana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72C0D15C-03CC-4A10-ACD9-910C91893E11
7
Ary tokony roa ambin'ny folo lahy no isan'izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35C65F8B-774E-4DE9-B0F4-4E8E97F0343E
8
Ary Paoly niditra tao amin'ny synagoga ka niteny tamin'ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCCFEAF1-5C86-4D89-A9BD-FF1AA698E5D0
9
Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana izany teo imason'ny olona maro, dia niala tamin'ireo izy nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan-andro tao amin'ny trano fampianaran'i Tyrano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6FCA064-4FAB-47B5-827A-3B3152940F75
10
Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin'ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia, na Jiosy na jentilisa .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D237EB3-A77E-450E-950A-DF901C53DC7C
11
Ary ny tànan'i Paoly no nanaovan'Andriamanitra fahagagana lehibe maro,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA846486-425A-4944-ABF4-24DB7D8BEC3C
12
ka dia ny mosara sy ny fiaron'akanjo teny aminy no nentina hatao amin'ny marary, dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3BBC18E-BEAC-46C8-A4C4-A1C63838C2B9
13
Ary nisy Jiosy sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran'i Jesosy Tompo koa teo ambonin'ny manana fanahy ratsy ka nanao hoe: Mampianiana anareo amin'i Jesosy Izay torin'i Paoly aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2896F4F1-2B56-4E6E-B700-ECD1F8DC5E2C
14
Ary nisy fito mirahalahy, zanak'i Skeva, Jiosy lohan'ny mpisorona, izay nanao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D4588E6-A7F8-4683-9901-7EEF71DF74AD
15
Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBAB8C7E-CF4D-42C5-A605-6036747D5F05
16
Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin'ireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy, dia nandositra niala tamin'izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5DD2A86-73FF-45E2-A616-FF078A683873
17
Ary fantatry ny jiosy sy ny jentilisa rehetra izay nonina tany Efesosy izany; dia raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza ny anaran'i Jesosy Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C83A994F-FF23-4C35-802A-6A724CD595D7
18
Ary maro izay nino dia tonga ka niaiky sy nilaza ny asany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|628D0DF3-61C8-4B7D-B21F-6F89E496CFDC
19
Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason'ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAFB1C28-C57E-4144-A8F9-F6F98395226B
20
Fatratra toy izany no fandroson'ny tenin'Andriamanitra sy ny heriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBFA54A1-9C43-446E-851A-C0D0887D50D3
21
Ary rehefa vita izany zavatra izany, Paoly dia nikasa tao am-pony handeha hamaky an'i Makedonia sy Akaia aloha vao hankany Jerosalema ka nanao hoe: Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy hahita an'i Roma koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D7AAB5A-5F24-46A4-8306-3F879BA42240
22
Ary ny roa lahy tamin'izay nanompo azy, dia Timoty sy Erasto, no nirahiny nankany Makedonia; fa izy mbola nitoetra tany Asia andro vitsivitsy kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B0D29EF-C016-4988-B00D-F8F8CC705B3B
23
Ary tamin'izany andro izany dia nisy tabataba be ihany ny amin'izany fampianarana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3681384F-5B03-44DD-9D87-3F539A6E5FA1
24
Fa nisy lehilahy anankiray atao hoe Demetrio, mpanefy volafotsy izay nanao sarin'ny tempolin'i Diana tamin'ny volafotsy, dia nampahazo harena be ny mpanefy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1E309D5-CA7D-4DA8-B260-F1EB117ECDCE
25
ireny mbamin'ny mpanao zavatra hafa koa toy izany dia nantsoiny hiangona ka nilazany hoe: Tompokolahy, fantatrareo fa amin'izao tao-zavatra izao no ahazoantsika harena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96095709-9C5A-4EE5-8FB1-4733FA3824DD
26
Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efesosy ihany, fa saiky manerana an'i Asia rehetra dia mitaona olona betsaka izany Paoly izany ka mampivily ny sainy manao hoe: Tsy Andriamanitra izay zavatra nataon-tànana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8C1FE8A-B79B-4377-8102-6998B8A64D8F
27
Ka dia tsy izao raharahantsika izao ihany no ahina hatao ho zava-poana; fa ny tempolin'i Diana, andriamani-bavy lehibe, dia hatao tsinontsinona koa aza, ka ho afa-boninahitra ilay ivavahan'i Asia rehetra sy izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F412D6D1-068C-4E87-A764-D67B38C3C1C9
28
Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia tezitra loatra ka niantso hoe: Lehibe Dianan'ny Efesiana!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C61C6AC5-2054-41DD-AA2E-3777F929E2CD
29
Ary nanerana ny tanàna ny tabataba, ary rehefa nisarika an'i Gaio sy Aristarko, lehilahy Makedoniana niara-dia tamin'i Paoly izy, dia niray saina niriotra ho ao an-trano filalaovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73D3F65D-EAC2-4384-8489-0F654D48B829
30
Ary raha te-hiditra ho any amin'ny olona Paoly, dia tsy navelan'ny mpianatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAF162A5-CDCF-4EE3-87B9-8682D0AC5EE0
31
Ary ny lehibe sasany tany Asia, izay sakaizany, dia nampitondra teny nananatra azy mba tsy ho sahy hiditra ao an-trano filalaovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCCBE13F-A053-47CB-A25C-AB1A861EE046
32
Ary ny sasany niantso zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; fa nihorikorika ny olona vory; koa ny ankamaroany tsy nahalala izay anton'ny niangonany teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9169E394-6F02-4B80-A8DB-88779C633E7B
33
Ary nisy nisarika an'i Aleksandro avy teo amin'ny vahoaka, fa ny Jiosy nanesika azy handroso. Ary Aleksandro nanofa tànana fa ta-handaha-teny hiala tsiny tamin'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6554BEA-44AA-4639-9662-B7D3689D2A7E
34
Fa rehefa fantatry ny olona fa Jiosy izy, dia niredona niantso tokony ho ora roa izy rehetra hoe: Lehibe Dianan'ny Efesiana!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8904BAF9-2AED-4D86-8CC0-DF947D5A693E
35
Ary ny mpitahiry ny didy dia nampangina ny olona ka nanao hoe: Ry lehilahy Efesiana, iza no olona tsy mahalala fa ny tanànan'ny Efesiana no mpitahiry an'i Diana lehibe sy ny sarin-javatra izay latsaka avy tamin'i Jopitera?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F733C84E-EB9B-4BB9-806A-AFB374A1926E
36
Ary satria tsy azo toherina izany, dia tokony hangina hianareo ka tsy hanao na inona na inona an-kamehana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D109C124-1D36-4625-88A9-EBA97EB8DF4D
37
Fa nentinareo ety ireo lehilahy ireo, izay tsy nandroba tempoly, na niteny ratsy ny andriamanintsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D65A83C3-3624-4A59-831E-34355751DA3E
38
Koa raha manan-teny hifamaliana amin'olona Demetrio sy ny mpanefy izay momba azy, aoka hifandahatra izy, fa misy ihany ny andro hitsarana, ary ao ihany koa ireo governora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7195E3BD-A4EB-4074-BD9B-F94F14C1A864
39
Fa raha mitady zavatra hafa kosa hianareo, dia hotsaraina amin'izay fivoriana voatendrin'ny lalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFFD6E37-5937-47FB-B50B-1EE109C15E18
40
Fa andrao ampangaina isika noho ny tabataba tsy misy antony izay niseho androana, ka tsy hita izay hilazantsika izao fampitairana izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17E73158-F341-475A-8FE4-2C043359433B
41
Ary rehefa nilaza izany izy, dia nampirava ny olona vory teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD447481-4D70-42C5-9BF9-54E2076640D6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany