Asa 2: 1-47

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F91DA60-B02C-4A40-BAA4-A6103B8F23DA
2
Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D57D965-4F73-4AAD-9F9F-E36A78AB616B
3
Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B502A622-652A-41DC-AFC3-0113DA97B66B
4
Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6491CA36-D4FC-4020-B586-B1B3CB47537D
5
Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa rehetra ambanin'ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|561000EB-4D8F-4D49-8526-BE0EECC4965E
6
Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A350C83C-538E-4300-B100-96A2ADE1A300
7
Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B93D12EB-A625-461F-860F-3776F8B79DA6
8
Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika--
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C1E3B43-939C-4F68-886A-88ED86DE8E49
9
dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68C6B709-AA5C-43FC-94E4-3E577C5A9A09
10
sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an' i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|964235B6-9373-4176-B355-870CFCBFD5D4
11
Kretana sy Arabo--koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DE6EFE4-19F5-4B5B-A550-0EA1C7D7F788
12
Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr'izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEB6A88B-7588-4BFB-9B19-834F2B2E299A
13
Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2060F6D4-A749-4ADE-B45D-800D4679DA1F
14
Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin'ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C547CBEE-300E-4888-B5B3-2F74B6B74D03
15
Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59CD3EE0-363D-47A6-BADE-B2CCF2A44B4C
16
Fa izao ilay nampilazaina an' i Joela mpaminany hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7B4BD44-B4F3-4626-A63E-2055375320EE
17
"Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, no handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, ary ny zatovonareo hahita fahitana, ary ny lahi-antitrareo hanonofy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C9169FF-4085-457E-945D-C588D644EBE9
18
ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany. Ka dia haminany izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92EDCE14-B50B-41C9-BAD8-1017508120E2
19
ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin'ny tany ambany, dia ra sy afo ary zavon'ny setroka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DCB0928-C9D6-4568-B92E-3EAD74706864
20
ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho ra, alohan'ny hahatongavan'ny andron'i Jehovah, dia ilay sady lehibe no malaza;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B66BE596-357A-4B36-B8E5-114436810309
21
ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia hovonjena" (Joela.3.1.5).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABBC5707-335F-4FBC-BD8C-0E02A80E46BD
22
Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon'Andriamanitra teo aminareo tamin'ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin'Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2C851A0-56CD-40E9-92D3-298694A78971
23
Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan'Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin'ny tànan'ny olona tsy tan-dalàna;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|867CBABA-63F8-4B14-A954-D932E8A90491
24
fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan'ny fahafatesana, satria tsy laitr'izany hohazonina Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D68D660-CAF6-4C5C-B6C8-E7C60F6AD291
25
Fa Davida milaza Azy hoe: " Niery an'i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; satria eo an-kavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC4789D8-FB61-4079-9652-5E8CCCB13F34
26
Dia izany no nifalian'ny foko sy niravoravoan'ny lelako; Ny nofoko koa hitoetra amin'ny fanantenana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51D72896-EDF1-459C-A3DE-062FE7757E6F
27
Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny aiko; ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lo Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2291A2F7-ABC0-4B3C-9A61-19977381F839
28
Nampahafantatra ahy ny làlan'aina Hianao; hampifaly ahy indrindra amin'ny tavanao" (Sal.16.8.11).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2F88287-6249-4574-A5E3-EC9773875516
29
Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin'i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka-androany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B1F4BB5-95F7-4A00-81DF-B3DAFDA20540
30
Ary satria mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay hateraky ny kibony no hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61490E79-11B2-4F1F-AAE7-96A29BDC65E8
31
koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan'i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FB6B7CA-76AD-4006-9719-28AE444F4E29
32
Izany Jesosy izany dia efa natsangan'Andriamanitra, ary vavolombelon'izany izahay rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|371FB57D-953F-4AC7-AC97-F738C05EF5C6
33
Ary rehefa nasandratry ny tànana ankavanan'Andriamanitra Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B32BF411-7F41-44BA-BE17-F649A84A33B9
34
Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy "Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tànako ankavanana
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF51C8B9-FD89-4C79-92CD-536F1E3230B8
35
ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao" (Sal.110.1).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67997055-12A1-49B9-A128-86AB6430B79B
36
Koa aoka ho fantatry ny taranak'Isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazofijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|488BF229-C829-4CEC-A50B-81DB5F392938
37
Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona ho hataonay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5250A56-019E-4DD2-9CBE-E0B6FC5C3319
38
Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|018E2DA4-0BB4-48C6-8137-F00E40CA609A
39
fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin' i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D294EA9A-3753-4864-B972-5BB8CD61A394
40
Ary nanambara sy nananatra azy tamin'ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin'ity taranaka maditra ity hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9C09D42-9A21-4493-A418-82758588C4AC
41
Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa: ary tokony ho telo arivo no olona vao nanampy ho isany tamin'izany andro izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|582DFA62-DDD2-49BF-8AF8-DEE32CFB7B77
42
Ary izy ireo naharitra tamin'iny fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DF7DC38-DA42-487F-9261-4D0C022E3CC0
43
Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon'ny Apostoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD775705-7F29-41EE-A0D9-2022366BA679
44
Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED59180E-1E72-499E-90FD-1F1AC326C8BD
45
ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C3F5B9D-09E1-48D2-8936-7E11FD355172
46
Ary dia niray saina isan-andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsoram-po,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2001EEEA-A7A1-4EA2-A6BA-6A93DE8E0965
47
nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan-andro ho isan'ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44CC0199-1D76-4D36-909E-615B6D5D0213
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany