Asa 2: 42-47

Andininy
Protestanta Malagasy
42
Ary izy ireo naharitra tamin'iny fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DF7DC38-DA42-487F-9261-4D0C022E3CC0
43
Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon'ny Apostoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD775705-7F29-41EE-A0D9-2022366BA679
44
Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED59180E-1E72-499E-90FD-1F1AC326C8BD
45
ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C3F5B9D-09E1-48D2-8936-7E11FD355172
46
Ary dia niray saina isan-andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsoram-po,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2001EEEA-A7A1-4EA2-A6BA-6A93DE8E0965
47
nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan-andro ho isan'ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44CC0199-1D76-4D36-909E-615B6D5D0213
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany