Asa 23: 1-35

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Paoly dia nibanjina ny Synedriona ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho nanompo an'Andriamanitra tamin'ny fieritreretana tsara mandraka andro-any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E424844-BBF7-4C37-9CD9-9FEB032140AE
2
Ary Ananiasy mpisoronabe nandidy izay nitsangana teo hamely ny vavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83E50936-459E-4DFA-AB68-5E4E1C025359
3
Ary hoy Paoly taminy: Andriamanitra mba hamely anao, ry rafi-bato voalalotra fotsy; fa hianao va mipetraka hitsara ahy araka ny lalàna, nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3DA5AECF-4CF9-4E0A-B08C-20055EB12C14
4
Ary izay nitsangana teo dia nanao hoe: Tevatevainao va ny mpisoronaben'Andriamanitra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB00AB9B-AD0D-4A42-A565-51BC77D83FAB
5
Ary hoy Paoly: Tsy fantatro fa mpisoronabe izy, ry rahalahy; fa voasoratra hoe: Aza miteny ratsy ny mpanapaka ny firenenao (Eks.22.27).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF1019A7-D4B3-4FE4-9F17-0AD81028C70E
6
Ary rehefa fantatr'i Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin'ny Synedriona izy ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin'ny fanantenana sy ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D816B871-19FA-4E5A-A627-5F2BF703B7B9
7
Ary rehefa nilaza izany izy, dia nifanditra ny Fariseo sy ny Sadoseo, ka nizara roa toko ny olona maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D09BA98A-D63D-45BC-85B8-512831D2C529
8
Fa ny Sadoseo manao hoe: Tsy misy fitsanganan'ny maty, sady tsy misy anjely na fanahy, fa ny Fariseo kosa manaiky izany avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B201A4C-9C3E-4232-A803-9AC4D9DC1DDC
9
Ary nisy antsoantso maharenina teo, ary ny mpanora-dalàna sasany, izay isan'ny antoko atao hoe Fariseo, nitsangana dia niady hevitra ka nanao hoe: Tsy hitanay izay helok'io lehilahy io; fa sao fanahy na anjely no niteny taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E301646-9DFD-458C-A812-F351F17E5207
10
Ary rehefa nitabataba be ihany izy, dia natahotra ny mpifehy arivo, fandrao hifandroritan'ny olona Paoly ka ho samatsamaka, dia nasainy nidina ny miaramila mba haka azy an-keriny hiala teo ampovoany ary mba hitondra azy ho any anati-rova.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77EC2A4D-E0E2-49AA-A713-B4EC02F9ED08
11
Ary ny Tompo nitsangana teo anilany tamin'iny alina iny ka nanao hoe: Matokia, fa tahaka ny nanambaranao Ahy tany Jerosalema no mbola hanambaranao Ahy any Roma koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10042572-D05B-4F6C-B63E-8A10575946DC
12
Ary nony maraina dia niray tetika ny Jiosy ka niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro izy ambara-pamonony an'i Paoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6E5DF12-B4CF-476A-BC59-C083B808D41F
13
Ary tsy omby efa-polo no niray tetika nanao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F518A55-C0D2-44CF-98D7-31F1027A7521
14
Ary izy nankany amin'ny mpisoronabe sy ny loholona ka nanao hoe: Efa niozona sy nianiana izahay fa tsy hanandran-javatra na inona na inona ambara-pamononay an'i Paoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|647BA452-372B-4D1D-95E2-F3537C98432C
15
Koa ankehitriny dia milazà amin'ny mpifehy arivo hianareo sy ny Synedriona mba hampidina azy hankaty aminareo, mody ta-hamototra azy marimarina kokoa ny amin'izay nataony; ary izahay kosa dia efa vonona hamono azy, dieny tsy mbola mby akaiky izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74F17A9D-F47B-47C1-9160-BCEBEAA0C77D
16
Ary nony ren'ny zanak'anabavin'i Paoly ny fanotrehana, dia lasa nankany anati-rova izy ka nilaza tamin'i Paoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A989D1B3-D26B-4AD3-B975-AA01F0D4BA5D
17
Ary Paoly niantso ny kapiteny anankiray hankeo aminy ka nanao hoe: Ento mankany amin'ny mpifehy arivo ity zatovo ity, fa manan-teny holazaina aminy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|185E2B6E-8227-473B-9E9D-D90F960C6C13
18
Koa dia nandray azy ilay kapiteny ka nitondra azy ho any amin'ny mpifehy arivo, dia nanao hoe: Paoly mpifatotra niantso ahy hankeo aminy ka nangataka ahy hitondra ity zatovo ity hanketo aminao, fa manan-teny holazaina aminao hono, izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|779C0F05-32E6-4279-AAF5-6652B3F96105
19
Ary ny mpifehy arivo nitantana azy, ary nony efa nitokana tao amin'ny mangingina izy, dia nanontaniany hoe: Inona moa no teny holazainao amiko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80BC2BE1-1226-4CD1-B06A-772E54ACA388
20
Dia hoy ilay zatovo: Ny Jiosy efa nifanaiky hangataka aminao hampidina an'i Paoly ho any amin'ny Synedriona rahampitso, mody ta-hanadina azy marimarina kokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C03B105-B715-4100-AA53-4EC4DA1D301E
21
Koa aza manaiky azy hianao, fa misy tsy omby efa-polo lahy izy manotrika hisambotra an'i Paoly, ka efa niozona sy nianiana izy fa tsy hihinana na hisotro ambara-pamonony azy; ary efa vonona izy ankehitriny ka miandry ny teny avy aty aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43E67F5A-853E-48FF-8F38-3A1699A1DFD2
22
Ary ny mpifehy arivo nampandeha ilay zatovo ka nandidy azy hoe: Aza milaza amin'olona fa efa nilaza izany tamiko hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28698879-5098-42E7-B6C7-BD076673C69B
23
Ary niantso kapiteny roa lahy hankeo aminy izy ka nanao hoe: Manomàna miaramila roan-jato lahy sy an-tsoavaly fito-polo ary mpiloka lefona roan-jato hankany Kaisaria anio alina amin'ny ora fahatelo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73A0234C-80A9-4168-9E66-6EDA1EB87ACD
24
ary itondray biby koa hitaingenan'i Paoly hitondra azy soa aman-tsara ho any amin'i Feliksa mpanapaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2CB5521-C138-441D-A289-071A804E3979
25
Ary izy nanoratra taratasy nisy izao teny izao:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3C96E97-5B99-469F-BDEC-A98E5E47D274
26
"Klaodio Lysia miarahaba an'i Feliksa, mpanapaka tsara indrinda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|684F9170-22D3-49A2-B7AA-ED6FC9CC7E0D
27
Ity lehilahy ity dia nosamborin'ny Jiosy ka efa saiky novonoiny; fa nony fantatro fa Romana izy, dia nitondra ny miaramila aho ka namonjy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9C201D8-94F9-4092-8BC4-F3646C9D0F76
28
Ary satria ta-hahalala tsara izay niampangany azy aho, dia nentiko nidina ho eo amin'ny Synedriona izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E40F2CA-793C-4A08-824D-33148F7F134D
29
dia hitako fa ady hevitra ny amin'ny lalàny no niampangany azy, fa tsy nisy niampangany azy izay tokony hahafaty na hamatorana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9A0E448-E825-4253-872A-255E4390DCCE
30
Ary rehefa voalaza tamiko fa nisy nikasa hanotrika hisambotra an-dralehilahy, dia naniraka faingana hitondra azy at? aminao aho; ary ny mpiampanga koa nasaiko hilaza aty anatrehanao izay iampangany azy".
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D4D9EA8-C3D9-4E22-8F2B-2591FF10CAB2
31
Dia nalain'ny miaramila Paoly araka ny nandidiana azy ka nentiny tamin'iny alina iny ho any Antipatria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8C8E6E3-01FD-4C61-9345-C30B06C7B0BB
32
Ary nony ampitso dia navelany handeha hiaraka aminy ny an-tsoavaly, fa izy kosa niverina ho any anati-rova.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D95B2289-73FA-4809-B59E-C10430D5D610
33
Rehefa tonga tany Kaisaria ireo, dia nanolotra ny taratasy tamin'ny mpanapaka sady nanolotra an'i Paoly ho eo anatrehany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B04623E-1C0B-4E58-9BA3-FCA2F3B802AB
34
Ary rehefa novakiny ilay taratasy, dia nanontany izay zara-fanapahana nihaviany izy; ary rehefa fantany fa avy tany Kilikia izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D879DEC-9A06-43FC-B085-5E3D9643E5E0
35
dia hoy izy: Hihaino tsara ny teninao aho, rehefa tonga aty ny mpiampanga anao. Dia nasainy nambenana tao an-dapan'i Heroda izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB77D863-DE63-4021-97F5-8476C0CD53BE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany