Asa 3: 1-11

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan'ny tempoly tamin'ny ora fahasivy fotoam-pivavahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6ECC2138-27B9-400C-9584-31E001BE3CF6
2
Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan-andro teo anoloan'ny vavahadin'ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin'izay niditra teo an-kianjan'ny tempoly;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3AD500CE-CD8E-498A-A639-9E8D461D4EF8
3
nony nahita an'i Petera sy Jaona efa hiditra eo an-kianjan'ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67B8B08F-8140-4181-B040-4B6BCB52642B
4
Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|733603D3-FB92-47C3-88DB-56A384856A8B
5
Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|699AF70E-69AF-402C-BAE2-EF9DCC68D33D
6
Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangatsangàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67474043-DF29-462E-B8CC-F52D3D2772AE
7
Ary noraisiny tamin'ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A33AE923-6815-4709-A529-8303A23518F9
8
Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana sy niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|834E5EBF-2737-4C54-911C-886E93E6271D
9
Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E3DD5FC-6FCC-4AEF-8843-1FE0FEA0D625
10
Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin'ny vavahady Itsaraendrika eo amin'ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4A49258-6B10-4288-827B-776BBF0E57B3
11
Ary raha nihazona an'i Petera sy Jaona izy, dia niara-nirohitra ny olona rehetra ho eo amin'izy telo lahy teo amin'ny fialofana izay atao hoe Fialofan'i Solomona, ka talanjona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D892A36-5125-4EE4-AEC0-3566FB5B4C9D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany