Asa 3: 1-26

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Petera sy Jaona niakatra ho eo an-kianjan'ny tempoly tamin'ny ora fahasivy fotoam-pivavahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6ECC2138-27B9-400C-9584-31E001BE3CF6
2
Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan-andro teo anoloan'ny vavahadin'ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin'izay niditra teo an-kianjan'ny tempoly;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3AD500CE-CD8E-498A-A639-9E8D461D4EF8
3
nony nahita an'i Petera sy Jaona efa hiditra eo an-kianjan'ny tempoly izy, dia nangataka mba homena fiantrana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67B8B08F-8140-4181-B040-4B6BCB52642B
4
Ary Petera sy Jaona nibanjina azy ka nanao hoe: Mijere anay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|733603D3-FB92-47C3-88DB-56A384856A8B
5
Dia nibanjina azy roa lahy tsara izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|699AF70E-69AF-402C-BAE2-EF9DCC68D33D
6
Fa hoy Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangatsangàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67474043-DF29-462E-B8CC-F52D3D2772AE
7
Ary noraisiny tamin'ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany; dia natanjaka niaraka tamin'izay ny tongony sy ny kitrokeliny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A33AE923-6815-4709-A529-8303A23518F9
8
Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana sy niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|834E5EBF-2737-4C54-911C-886E93E6271D
9
Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E3DD5FC-6FCC-4AEF-8843-1FE0FEA0D625
10
Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin'ny vavahady Itsaraendrika eo amin'ny tempoly mba hiantrana; dia gaga sady talanjona ny olona noho izay tonga tamin-dralehilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4A49258-6B10-4288-827B-776BBF0E57B3
11
Ary raha nihazona an'i Petera sy Jaona izy, dia niara-nirohitra ny olona rehetra ho eo amin'izy telo lahy teo amin'ny fialofana izay atao hoe Fialofan'i Solomona, ka talanjona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D892A36-5125-4EE4-AEC0-3566FB5B4C9D
12
Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin'izany hianareo? Ary nahoana no mandinika anay hianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EED4F662-053E-4110-A718-890EB99C012C
13
Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an'i Jesosy Mpanompony , Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan'i Pilato, rehefa nokasainy halefa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8EE768C8-569D-4804-B56E-89FBE9D1E737
14
Fa hianareo nandà Ilay Masina sy Marina, ary mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D20FF673-EAC2-45D1-9B88-48A930B88513
15
fa ny Tompon'ny aina kosa no novonoinareo; fa Izy natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty, ary vavolombelon'izany izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E833A9EA-83CB-4C1E-BCF8-3ED845789FB4
16
Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin'ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|525AB4C7-FE6D-4A3A-BEEC-73BA11949765
17
Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12F15B1E-8032-4316-A448-55497B401531
18
Fa izany no nahatanterahan'Andriamanitra ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan'ny Kristiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|360C25A6-0831-41EE-8754-BC712D537D3C
19
Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CDB6F7D-4A1F-4D3A-AEB9-7E494B19E1DD
20
ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A24E89F-3B29-49B5-80DC-A2CF6EC302DD
21
Ilay tsy maintsy horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain'Andriamanitra ny mpaminany masina hatramin'ny voalohany indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89977D76-2939-4FB5-AB4C-F89627408290
22
Fa Mosesy nilaza hoe: "Mpaminany no hatsangan'i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy; Izy no hohenoinareo amin'izay rehetra holazainy aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7038FCF1-82E9-4CE1-B12D-549CAEE831A0
23
Ary izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin'ny olona" (Deo.18.15.19).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77D9B090-5022-4D25-AFF0-29F1D979C00D
24
Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin'i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CACC23D3-A802-45EB-8ACD-FCD416EC6DEA
25
Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny razanareo, raha hoy Izy tamin'i Abrahama: "Ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany" (Gen.22.18).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BFBAC6B-00C1-4529-A0A8-8B3A2CD521C1
26
Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony , dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin'ny fialanareo rehetra amin'ny faharatsianareo isam-batan'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D453BD9-9D63-4164-B936-87342F786319
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany