Asa 4: 32-37

Andininy
Protestanta Malagasy
32
Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A481DBB-CF36-4C26-A233-0D322C8FF717
33
Ary tamin'ny hery be no nanambaran'ny Apostoly ny nitsanganan'i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin'izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29CA0C6B-ED13-422F-943F-364937E7F7A6
34
Fa tsy nisy olona nalahelo teo aminy; fa izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany, dia nitondra ny vola vidin'ny zavatra lafo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63451B3D-78B1-4367-B4A2-1D37BEF4D2A5
35
ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly, dia nozaraina tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90EBBBB6-ED42-4697-9B8C-8A2E8DFE14C1
36
Ary Josefa, izay nataon'ny Apostoly hoe koa Barnabasy (izany hoe, raha adika, Zanaky ny fananarana), Levita, avy any Kyprosy no firazanany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC0A2279-7046-459B-8428-E810729E7578
37
dia nivarotra ny sahany, ary nentiny ny vola vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8E9FD7F-AED9-4B02-B1B1-9F8A30734117
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany