Asa 5: 1-42

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa nisy kosa lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny nivarotra tany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0EE5432-CE5F-408C-9154-B0E462BA607B
2
ka nanafenany ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola sasany vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|760322B4-C8D6-4CA0-A9F1-ABF12C8377D2
3
Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina ka nanafina ny vola sasany vidin'ny tany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14F31CC0-87FF-48F4-BFAE-102819266AB8
4
Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao hianao? Tsy nandainga tamin'olona hianao, fa tamin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|431FE3E9-6FEF-4BD1-BDB4-5589F488D5D1
5
Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F2847FC-ECA0-4CDA-9F4D-5A21B88F2239
6
Ary nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD36223F-9F5D-406B-B9A7-0F8ACFE884AB
7
Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3043244C-37F3-4674-83EF-3C526DE923BC
8
Ary hoy Petera taminy: Lazao amiko: Izany ihany va no vola vidin'ny taninareo? Dia hoy izy: Eny, izany ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15215F10-DAFD-490D-94CF-3CC186891218
9
Ary hoy Petera taminy: Nahoana hianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin'ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr'izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB5F5125-7FAB-440D-BF77-AD7FF8E30C5C
10
Dia nikarapoka teo anoloan'ny tongony niaraka tamin'izay koa izy, ka afaka ny ainy; ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan'ny lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58F14B2D-4E46-4522-926E-E7A5E28D718D
11
Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62602B67-7A2A-45C0-A0FA-755458FC4CC5
12
Ary ny tànan'ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin'ny vahoaka; ary izy rehetra niray saina teo amin'ny Fialofan'i Solomona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA59180D-4D05-4F8E-986D-4C4206E41CAB
13
ary tsy nisy tamin'ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D92582F-E6CB-46F1-9B1F-101D80177386
14
Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|219A3AD6-EA5C-406F-A2AE-1A0F51D859C2
15
ka dia nentiny teny an-dalàmbe aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho azon'ny tandindon'i Petera ahay, raha mandalo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51B3A493-5825-4BFE-85E2-CCC1A2A9D743
16
Ary ny olona maro avy tamin'ny vohitra manodidina an'i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny marary sy izay nampahorin'ny fanahy maloto; dia sitrana avokoa izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D06F1FB7-B84C-41B3-A9FB-25C422097002
17
Ary nitsangana ny mpisoronabe mbamin'ny namany rehetra (izay antokon'ny Sadoseo), fa feno fialonana izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDAE1B28-F6D3-4536-9A89-8BD8FE91181D
18
dia nisambotra ny Apostoly izy ka nanao azy tao an-trano-maizina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7859FF07-7E4D-4F19-A015-1FA7EEC36D81
19
Fa nisy anjelin'ny Tompo namoha ny varavaran'ny trano-maizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B150F18-1BB6-4A5D-B16E-64D2F24243C4
20
Mandehana, ka mitsangàna, ary mitoria amin'ny vahoaka eo an-kianjan'ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C3A18AC-8848-4351-9C06-64AC5A0CA5AA
21
Ary rehefa nandre izany izy, dia niditra maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly ka nampianatra. Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny namany, dia nampiangona ny Synedriona sy ny loholona rehetra tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka naniraka nankao amin'ny trano-maizina haka ny Apostoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91C68A59-FCCF-4FFB-9AB6-264BC0C7F71B
22
Fa nony tonga ny mpiandry raharaha, dia tsy nahita azy tao an-trano-maizina; dia niverina izy ka nilaza hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F885D20-6028-4D2B-8C11-EBA1078EEA92
23
Ny trano-maizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1F30D63-E448-45DA-B445-BF91CAFE6A0A
24
Ary ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy ny lohan'ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany, dia niroahana ny amin'izay ho faran'izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F47E5429-0582-443E-9D09-9515607BBC2E
25
Dia nisy tonga ka nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-trano-maizina ireny, dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan'ny tempoly ka mampianatra ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD311512-F789-49B0-8F0A-CDEF2523C1FA
26
Dia lasa ny lehiben'ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy, nefa tsy nanao mahery, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2252CE33-DF65-4D30-A4D7-4EE96DC9AFCA
27
Ary rehefa nentiny, dia napetrany teo anatrehan'ny Synedriona ireo, ary ny mpisoronabe nanontany azy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E65951E-D8E3-41E1-82E2-E0FD355696A1
28
ka nanao hoe: Efa noraranay mafy dia mafy hianareo tsy hampianatra amin'izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran'izany Lehilahy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|225AF9BA-B112-4E71-923A-D3DA000306C1
29
Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EB7D2B8-E089-4D48-B488-EB620424BDAF
30
Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an'i Jesosy, Izay novonoin'ny tànanareo nahantonareo teo amin'ny hazo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3910580D-0E20-406F-BEDB-C666CA3609B8
31
Izy nasandratry ny tànana ankavanan'Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B64689E3-063E-49D8-A983-9DE657D26629
32
Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFC0E117-06DF-40B5-B938-399C97DB9B9F
33
Ary raha nandre izany izy, dia lotika ny fony, ka nihendry hamono azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6335C01F-A8CE-4E10-88FE-1E16C1F8993B
34
Dia nitsangana teo amin'ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin'ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7980EA1-6FE1-4A30-9B03-9ED21F39DE62
35
Dia hoy izy tamin'ny namany: Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin'ireo olona ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90E51715-03D8-4005-B6A0-85F00B049EA1
36
Fa nitsangana fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan'ny lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ka tonga tsinontsinona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00E75E94-5886-45C0-BDCF-B8A56C69D012
37
Ary nanarakaraka azy indray, tamin'ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any Galilia; ary izy nitaona olona hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B679525-AD3B-4C54-AD91-AED2CB75A3A8
38
Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo: Mandefera amin'ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin'olona izao saina na asa izao, dia ho foana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E24C7F4B-D6C1-4704-9F50-933AA4D9DC77
39
fa raha avy amin'Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin'Andriamanitra hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACEC1401-0950-4599-8770-8795962A6FD1
40
Dia nanaiky azy izy; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin'ny anaran'i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3202F2AA-BACD-43B9-A4F5-CCBEF6961E9C
41
Ary ireo dia niala teo anatrehan'ny Synedriona, sady faly, satria natao mendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr'izany anarana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2655D5CD-A0E9-4440-9744-476C6586E0D9
42
Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy isan-andro teo an-kianjan'ny tempoly sy tao an-trano izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|863BCEDE-C330-4089-AEDB-DAD9DFCDFE8A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany