Asa 5: 25-32

Andininy
Protestanta Malagasy
25
Dia nisy tonga ka nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-trano-maizina ireny, dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan'ny tempoly ka mampianatra ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD311512-F789-49B0-8F0A-CDEF2523C1FA
26
Dia lasa ny lehiben'ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy, nefa tsy nanao mahery, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2252CE33-DF65-4D30-A4D7-4EE96DC9AFCA
27
Ary rehefa nentiny, dia napetrany teo anatrehan'ny Synedriona ireo, ary ny mpisoronabe nanontany azy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E65951E-D8E3-41E1-82E2-E0FD355696A1
28
ka nanao hoe: Efa noraranay mafy dia mafy hianareo tsy hampianatra amin'izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran'izany Lehilahy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|225AF9BA-B112-4E71-923A-D3DA000306C1
29
Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EB7D2B8-E089-4D48-B488-EB620424BDAF
30
Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an'i Jesosy, Izay novonoin'ny tànanareo nahantonareo teo amin'ny hazo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3910580D-0E20-406F-BEDB-C666CA3609B8
31
Izy nasandratry ny tànana ankavanan'Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B64689E3-063E-49D8-A983-9DE657D26629
32
Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFC0E117-06DF-40B5-B938-399C97DB9B9F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany