Asa 7: 1-61

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary hoy ny mpisoronabe: Moa izany tokoa va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FABFA63C-F811-493D-95E9-98631D1A7B9D
2
Fa hoy Stefana: Mihainoa, ry rahalahy sy hianareo ray: Andriamanitry ny voninahitra niseho tamin'i Abrahama razantsika, raha tany Mesopotamia izy, fony tsy mbola nonina tana Harana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B736100-C96E-42F9-A438-2CBC349389BE
3
ka nanao taminy hoe: Mialà amin'ny taninao sy ny havanao, ka andeha ho any amin'ny tany izay hasehoko anao (Gen.12.1).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0FE730C-3A65-434D-9DC3-9C9AED3C79DA
4
Dia niala tamin'ny tanin'ny Kaldeana izy ka nonina tany Harana; ary rehefa maty ny rainy, dia nafindran'Andriamanitra niala teo izy hankaty amin'ny tany izay onenanareo ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|835ECCED-03B9-4F52-ADF4-3887E4F002ED
5
Ary tsy nomeny lova teto izy, na dia eram-paladia akory aza; kanefa nampanantenainy izy fa homeny azy sy ny taranany mandimby azy ho lovany izany, na dia tsy mbola nanan-janaka akory aza izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E512643C-BF2B-4A9E-AA07-ABF67E1DC6CB
6
Ary nolazain'Andriamanitra fa ny taranany hivahiny any amin'ny tanin'ny firenena hafa ary handevoziny sy hampahoriny efa-jato taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|691E50F1-16E9-4F0D-8C3C-5DDE80C13197
7
Nefa ny firenena izay hotompoiny dia hotsaraiko kosa, hoy Andriamanitra; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka izy ka hanompo Ahy eto amin'ity tany ity (Gen.15.13.14).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6137EBC4-ABD7-4A56-8F53-DD5D82163A0A
8
Ary nomeny fanekena amin'ny famorana izy. Ary dia niteraka an'Isaka izy ka namora azy tamin'ny andro fahavalo; ary Isaka niteraka an'i Jakoba, ary Jakoba niteraka ny patriarka roa ambin'ny folo lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA94DDDD-8107-49F4-9EBD-76A4A7CBA737
9
Ary nialona an'i Josefa ny patriarka ka nivarotra azy ho any Egypta; nefa Andriamanitra nomba azy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A37358A4-D419-4F31-9421-E54969645A2F
10
ka nahafaka azy tamin'ny fahoriany rehetra sady nanome azy fahasoavana sy fahendrena teo imason'i Farao, mpanjakan'i Egypta; ary izy nanendry azy ho mpanapaka any Egypta mbamin'izay rehetra tao an-dapany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E36CF2C5-5732-4DB8-9A0A-98BB41F33742
11
Ary nisy mosary eran'i Egypta sy Kanana rehetra, ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita hanina ny razantsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37428419-3C5D-49B8-B2A1-C2BB8CB8BBC9
12
Fa nony nandre Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia naniraka ny razantsika izy tamin'ny voalohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A8B7F8F-2B95-4C0A-A94A-860F6F2A2211
13
Ary tamin'ny fanindroany dia fantatr' izy mirahalahy avy Josefa, ary dia fantatr'i Farao koa ny havan'i Josefa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E4BB8FB-10F5-461F-9862-F940B3776964
14
Ary Josefa naniraka ka nampaka an'i Jakoba rainy mbamin'ny mpianakaviny rehetra, dia olona dimy amby fito-polo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45C25256-15F2-4967-B5AD-00926343194B
15
Ary Jakoba nidina nankany Egypta, dia maty izy sy ny razantsika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38134E61-7F6D-4AF9-AC15-A8C199D8DC9E
16
ary nentina ho any Sekema izy ka nalevina tao amin'ny fasana izay novidin'i Abrahama vola tamin'ny zanak'i Hamora tany Sekema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5A30F2A-47B3-4D6B-B572-41AB3B094E9F
17
Fa rehefa ho tonga ny fotoana hahatanterahana ny teny fikasana, izay nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama, dia nitombo sy nihamaro ny olona tany Egypta,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99472DCA-5264-4D81-A6D6-ACD554E70009
18
mandra-pitsangan'ny mpanjaka hafa tany Egypta, izay tsy nahalala an'i Josefa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|062D7188-72E6-48BF-9829-50755F3C02C5
19
Ary izy nanao hafetsena tamin'ny razantsika, dia nampahory azy, ka dia samy nanary ny zanany vao teraka mba tsy ho velona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABDF7F4A-E3A1-4030-AA4A-049F4116B8BE
20
Tamin'izany andro izany no nahaterahan'i Mosesy, ary tsara teo anatrehan'Andriamanitra izy ka notezaina telo volana tao an-tranon'ny rainy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D8AF874-D4E0-44F2-AC24-F94D51F7C5FA
21
Fa rehefa nariana izy, dia nalain'ny zanakavavin'i Farao ka notezainy ho zanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BE8A306-FB19-40CD-8E50-2B66BABCD797
22
Ary Mosesy nampianarina ny fahendrena rehetra nananan'ny Egyptiana, ary nahery tamin'ny teniny sy ny asany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C3345FA-66F5-4E1B-9DC0-8A72C6245875
23
Ary rehefa ho efa-polo taona izy, dia velona tao am-pony ny hamangy ny Zanak'Isiraely rahalahiny
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AF844E0-A4F7-4779-86CB-142398B46166
24
Ary raha nahita ny anankiray nampahorina maina izy, dia namaly ka namono ilay Egyptiana ary namonjy ilay nampahorina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D64BBED0-94C3-415B-B080-0BE8D4EA41E1
25
Ary nataony fa ho fantatry ny rahalahiny fa ny tànany no hamonjen'Andriamanitra azy; kanjo tsy fantany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63D93833-5799-44B1-874E-6D04B166C499
26
Ary nony ampitson'iny dia niseho tamin'ireo izay niady Mosesy ary nanao izay hampihavana azy ka nanao hoe: Raondriana, mirahalahy hianareo, koa nahoana hianareo no miady?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EEF3CED-B91F-4824-926A-0ED09FAC2435
27
Fa ilay namely maina ny namany dia nanosika azy ka nanao hoe: "Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50799120-D0B7-4491-95B4-001D4B9C93A1
28
Moa ta-hamono ahy koa va ialahy tahaka ny namonoan'ialahy ilay Egyptiana omaly? "(Eks.2.13.14).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7227825E-D355-4A67-B5DD-7DC5195DA09D
29
Ary tamin'izany teny izany dia nandositra Mosesy ka nivahiny tany amin'ny tany Midiana, ary tany no niterahany zanaka roa lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2AF12376-4913-435B-937D-E3D71E946E14
30
Ary rehefa afaka efa-polo taona, dia nisy anjely niseho taminy tany an-efitry ny tendrombohitra Sinay teo anaty lelafo teo amin'ny voaroy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE978BD1-0156-4FDA-9A26-04D04BC0C7AF
31
Ary Mosesy, nony nahita, dia gaga noho ny fahitana; nefa nony nanatona handinika izy, dia tonga ny feon'ny Tompo nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F7DF809-E7E2-4855-8D24-B52384235AAD
32
Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba (Eks.3.6). Dia toran-kovitra Mosesy ka tsy sahy nandinika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|288F6747-641F-4933-996B-128BA542A724
33
Ary hoy Jehovah taminy: "Esory ny kapa amin'ny tongotrao; fa masina io tany ijanonanao io.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F105BBBD-B2D4-48F3-959C-A4F43C05BBB6
34
Hitako tokoa ny fahorian'ny oloko any Egypta, ary reko ny fitarainany, dia nidina hamonjy azy Aho. Koa andeha ankehitriny, dia hirahiko ho any Egypta hianao" (Eks.3.5.10).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9B83BFD-B0BF-4919-BA69-3C98937811BA
35
Izany Mosesy izany dia nolaviny ka nataony hoe: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara? (Eks.2.14) kanjo izy ihany no nirahin'Andriamanitra ho mpanapaka sy mpanavotra nomban'ny tànan'ny Anjely, Ilay niseho taminy teo amin'ny voaroy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED430263-54B5-4002-B2FB-1B7F38232868
36
Izy no nitondra ny olona nivoaka sady nanao fahagagana sy famantarana tany Egypta sy teo amin'ny Ranomasina Mena ary tany an-efitra efa-polo taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEB6468A-AD8F-49EC-A697-395F91901E62
37
Izany no Mosesy ilay nilaza tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Mpaminany no hatsangan'Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy (Deo.18.15).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|804F4474-307E-4E96-8B2E-7BF356087B4F
38
Izy ilay teo amin'ny fiangonana tany an-efitra mbamin'ny Anjely izay niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay sy tamin'ny razantsika, ka izy no nandray teny velona mba homeny antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA3E3827-9086-4603-AE35-C5058BBB9305
39
Nefa ny razantsika tsy nety nanaiky azy, fa nandà, dia manina an'i Egypta ny fony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E900EA0-FA58-4EE5-99A5-0CEA085D212F
40
ka hoy izy tamin'i Arona: Anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay nitondra antsika nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy (Eks 32.1).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A877AED5-391E-405D-9AC3-660E0E1D3000
41
Ary dia nanao ombilahy kely izy tamin'izany andro izany, dia nanatitra fanatitra tamin'ny sampy ka niravoravo tamin'ny asan'ny tanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7504C5AF-47EA-436B-9ACB-D6FC7B51C89B
42
Fa Andriamanitra nihodina, dia nanolotra azy hanompo izay eny amin'ny lanitra; araka ny voasoratra eo amin'ny bokin'ny mpaminany hoe: "Moa nanatitra zavatra voavono sy fanatitra ho Ahy efa-polo taona tany en-efitra va hianareo, ry taranak'Isiraely?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCD03F87-340E-45C8-8D9A-7DBA45706EF8
43
Tsia, fa nobetainareo ny tranolain'i Moloka sy ny kintan'ny andriamanitra atao hoe Refana, dia ny endri-javatra izay nataonareo hivavahana, ka dia hamindra anareo ho any ankoatr'i Babylona Aho" (Amo.5.25.27).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1B71919-3D14-41CB-AFED-CBF6A26D80DF
44
Ny trano-lain'ny Vavolombelona dia teo amin'ny razantsika tany an-efitra, tahaka ny voatendrin'Izay niteny tamin' i Mosesy mba hanaovany azy araka ny endrika izay efa hitany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F0E8654-73AF-47DB-99CB-80769AAE0CA3
45
Izany koa dia noraisin'ny razantsika izay nandimby ireo, ka nentiny niditra niaraka tamin'i Josoa tamin'ny nahazoany ny tanin'ny firenena izay noroahin'Andriamanitra hiala teo anoloan'ny razantsika hatramin'ny andron'i Davida;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91EFA349-DC23-462F-9FAD-C375E5BA62B1
46
izy nahita fitia teo anatrehan'Andriamanitra ka nangataka hahita trano ho an'Andriamanitr'i Jakoba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B15E657-00C2-4CE3-879E-C195A1DC9329
47
Fa Solomona kosa no nanao trano ho Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|706036C9-D1FE-4AC1-B58E-E5473407BC51
48
Kanefa ny Avo indrindra tsy mitoetra ao amin'izay nataon-tànan'olona, araka ny nolazain'ny mpaminany hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AF36466-55E7-44EA-8A25-81B7D2949A83
49
"Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro; Koa trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? hoy Jehovah, ary manao ahoana no ho fitoerana fitsaharako?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98C32F04-944E-4432-A14E-DEA3024BA688
50
Tsy ny tànako va no nanao izao zavatra rehetra izao?" (Isa 66.1.2).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0500E474-0E46-4C50-ABA2-CE1B081E7B02
51
Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, hianareo manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva; tahaka ny nataon'ny razanareo ihany no ataonareo koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1550E475-B479-457E-90D9-A3FD2A4E5E99
52
Iza no mpaminany izay tsy nenjehin'ny razanareo? Eny, novonoiny aza izay naminany ny fihavian'Ilay Marina; ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy hianareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F3F0C69-9E6C-4A18-84FD-3CFE9AB28EB1
53
dia olona izay nahazo ny lalàna tamin'ny nandaharan'anjely azy, nefa tsy nankatô izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31359EB7-1ABC-4763-BF48-E9F9B2BFA445
54
Ary nony nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|285C56A8-1F1E-4385-AD6A-1E7F0897FB07
55
Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo an-kavanan'Andriamanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A2D9B21-BF5D-4BAE-BD59-93366DD42BA7
56
dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak'olona mitsangana eo an-kavanan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25CC998B-F1F2-448D-BB74-A225F39965F9
57
Ary ny olona niantso tamin'ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0A505F8-A59E-4DA1-BAD1-A88F8DFB729A
58
dia nandroaka azy ho eny ivelan'ny tanàna ka nitora-bato azy, ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan'ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58EEEB21-90D0-4BE0-BCA3-BC8B476B60C9
59
Ary ny olona nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC220EE8-37C5-4917-B098-C174A0C67CC9
60
Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe: Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F2B0440-9A66-4CD8-9FA4-9507121D8580
61
Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A04FE8C5-1686-4FDB-A498-34FD8F30BE11
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany