Asa 7: 54-60

Andininy
Protestanta Malagasy
54
Ary nony nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|285C56A8-1F1E-4385-AD6A-1E7F0897FB07
55
Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo an-kavanan'Andriamanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A2D9B21-BF5D-4BAE-BD59-93366DD42BA7
56
dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak'olona mitsangana eo an-kavanan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25CC998B-F1F2-448D-BB74-A225F39965F9
57
Ary ny olona niantso tamin'ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0A505F8-A59E-4DA1-BAD1-A88F8DFB729A
58
dia nandroaka azy ho eny ivelan'ny tanàna ka nitora-bato azy, ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan'ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58EEEB21-90D0-4BE0-BCA3-BC8B476B60C9
59
Ary ny olona nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC220EE8-37C5-4917-B098-C174A0C67CC9
60
Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe: Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F2B0440-9A66-4CD8-9FA4-9507121D8580
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany