Asa 8: 1-40

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin'ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin'ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2157D091-3151-45F8-9810-334A86AAA1B2
2
Ary mpivavaka tsara no nandevina an'i Stefana sady nisaona azy fatratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8497F78B-B2FD-4669-9C0F-F1365ED36F70
3
Fa Saoly nampahory mafy ny fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao an-trano-maizina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2586F301-BF09-410E-9642-911F13EDDB0D
4
Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98CE1B2A-6E1A-4B9E-A27F-1FB9156ACCC5
5
Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an'i Kristy tamin'ny olona tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DA0F412-9482-4160-B7F0-BC1B742B9A12
6
Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain'i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DAB13D9-7428-48AB-951C-9BEE70DFFCCA
7
Fa ny fanahy maloto niantso tamin'ny feo mahery, dia nivoaka tamin'ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin'ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C30F88A-62C1-4436-AEE2-1FAB43A6F458
8
Dia nisy fifaliana lehibe tao amin'izany tanàna izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2501A887-2022-4622-BB8C-33D50D4FD053
9
Ary nisy lehilahy anankiray rahateo teo an-tanàna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77E61F79-0994-4640-932F-F308009A2ACA
10
ary nihaino azy ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, ka nanao hoe: Ity lehilahy ity no herin'Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|824701B6-B29D-420C-B892-D4B731212072
11
Ary nihaino azy ny olona, satria efa ela no talanjona tamin'ny odiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4FF4F52-2D6F-497B-9E82-B58D3E383450
12
Ary rehefa nino an'i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny anaran' i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8E815A0-7BDF-4BBD-8342-10F5F7FACF02
13
Ary Simona koa mba nino; ary rehefa natao batisa izy, dia nanaraka an'i Filipo. Ary talanjona izy, raha nahita ny famantarana sy ny soa lehibe izay natao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E2F1475-831C-4756-B5EB-A437C65F320D
14
Ary nony ren'ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin'Andriamanitra, dia naniraka an'i Petera sy Jaona izy hankany aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AF3DCBE-D026-4662-B685-F301EB2B7C38
15
Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89F3EC12-09BF-4022-B153-D7689AF2B940
16
Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia izay akory aza; fa natao batisa tamin'ny anaran'i Jesosy Tompo ihany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B871631-7B70-4124-93D9-5831BBD66713
17
Ary izy roa lahy nametra-tànana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E050820-6A08-4F8A-BCE4-C4365D02E814
18
Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan'ny Apostoly tànana no nanomezany ny Fanahy Masina, dia nitondra vola homena azy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4665DF6C-0A90-4F37-8FCB-4B7A1C640931
19
ka nanao hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tànana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB398605-C2A9-494E-BF4C-A5F0CFA77686
20
Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin'ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E571BA20-D47E-4A5F-8768-DD6766CFAA11
21
Tsy manana anjara na raharaha amin'izany zavatra izany hianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3450F56C-28D9-43B3-9B11-0A8A10EAC9D8
22
Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin'ny fonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2A859F5-51FD-4825-AF4B-7554635601C1
23
Fa hitako fa mbola mitoetra amin'ny fangidian'ny afero sy ny fehin-keloka ihany hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3528D4D-C276-4E8B-A3D7-F796487F7008
24
Ary Simona namaly ka nanao hoe: Mangataha ho ahy amin'ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay nolazainareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8DC1F3F7-D1BA-4060-A2D3-B4AAE6F14DF5
25
Ary rehefa nanambara sy nitory ny tenin'ny Tompo Petera sy Jaona, dia niverina nankany Jerosalema ka nitory ny filazantsara teny amin'ny vohitra maro izay an'ny Samaritana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C43BACB3-DD1F-4744-B693-BE886261C180
26
Ary nisy anjelin'ny Tompo nilaza tamin'i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin'ny làlana midina avy any Jerosalema mankany Gaza, dia efitra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAD3EB71-3B67-4778-B80B-42EAB50B8E67
27
Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan'i Kandasy, mpanjakavavin'ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|458F8958-FE9F-4783-B3AC-F165A878D804
28
dia nody izy ka nipetraka teo anatin'ny kalesiny ary namaky teny tao amin'Isaia mpaminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC057D80-78D5-4ACF-B6D9-54B1C6A02C58
29
Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B20BEEFC-60D4-4A67-94A4-FA998B338B09
30
Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin'Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D86BCCA2-6AAC-4B70-BC66-03E8A9128350
31
Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy? Ary izy nangataka an'i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68C33A55-4EDF-48D6-B7A1-67FDC4E83DB9
32
Ary izao no tenin'ny Soratra Masina novakiny: "Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, ary tsy niloa-bava, tahaka ny zanak'ondry moana eo anoloan'ny mpanety azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5CD8D15-DDF2-447D-BF26-D687C2A1FEA5
33
Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; ary iza no hahalaza ny amin'ny niara-belona taminy ? Fa ny ainy nesorina tamin'ny tany" (Isa.53.7.8)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9F0D465-A663-4D01-94FA-DADB0AB835FF
34
Ary ilay tandapa namaly an'i Filipo ka nanao hoe: Masìna hianao, iza moa no lazain'ny mpaminany amin'izany? Ny tenany va, sa olon-kafa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B5B3548-ACC2-4FC4-BD49-073347242FEF
35
Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin'izany Soratra Masina izany nitory an'i Jesosy taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C12A8FF2-3183-46DE-8C02-95FFF7C256EE
36
Ary raha nandeha teny an-dàlana izy, dia tonga teo amin'izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B2845C4-E3A2-4BD2-B41F-16866B3EF06B
37
Dia hoy Filipo: Raha mino amin'ny fonao rehetra hianao, dia azo atao ihany. Ary izy namaly ka nanao hoe: Mino aho fa Jesosy Kristy no Zanak'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3C923EC-C2E0-4AA4-A68C-3538AB703EFC
38
Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin'ny rano; dia nataony batisa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7F27D32-5C50-4D94-9211-045F07140720
39
Ary rehefa niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy, dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony fa nandeha tamin'ny nalehany izy sady nifaly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02698435-27E1-45D9-BEB5-77497ED0C458
40
Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F18F81D9-51DB-4D18-A94A-DE54E7C4B5FE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany