Asa 9: 1-22

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9456A201-3B3F-4F48-ADA9-37D9D4C219E2
2
ka nangataka taratasy taminy ho any amin'ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E41ADFAB-FC6A-4561-8B28-36980BDFDC12
3
Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra tampoka manodidina azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89E156F9-1BFF-4CE0-8A08-6CDA1AA61CAD
4
dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0D98C35-4A94-4D32-84CB-86C1800FA238
5
Ary hoy izy: Iza moa hianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F064FF0-0DF7-4DB4-9691-73EC32BE9C12
6
fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BFFBD98-0040-48D0-8728-32A461D6A080
7
Ary ny olona izay nomba azy tamin'ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo izy, nefa tsy nahita olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDC77876-8FC1-4931-B7DC-C4A0A5D4A4BD
8
Ary Saoly nitsangana tamin'ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|968A10BE-35EF-4BA6-AA19-BA8915D8F719
9
Ary tsy nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2638D285-63F3-4E68-B395-6207EAF9C52B
10
Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy tamin'ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BA699A9-5BBD-4F9B-9C55-BFDADB362264
11
Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin'ny làlana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon'i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy ny Tarsosy; fa, indro efa mivavaka izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5E2F08E-57E4-49B5-88DD-5E8C2B529440
12
ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tànana taminy, mba hahiratra indray ny masony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C76E20F0-CA94-4DCB-99D4-D24528EEB4B2
13
Ary Ananiasy namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin'ny maro ny haben'ny ratsy nataon'izany lehilahy izany tamin'ny olonao masina tany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AD4ED27-B8E8-48DF-B9A1-05291E895101
14
Ary manana fahefana aty koa avy tamin'ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67273A87-AF30-4350-99C3-3B53AECFB8CE
15
Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'Isiraely;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9DBF2E0-A09B-45B1-8695-9995290FEEAD
16
fa hasehoko azy ny habetsahan'izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4D17E4B-DC9C-45B5-A79A-762EAF89DB3F
17
Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tànana taminy ka nanao hoe: Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin'ny làlana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan'ny masonao, ary mba ho feno no Fanahy Masina hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAFC7CE8-F4B9-4E21-AFCB-D35269C12E5B
18
Ary niaraka tamin'izay dia nisy zavatra toy ny kiran'ny hazandrano niala avy tamin'ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D1943F2-5200-4266-80A0-9615DE30F852
19
ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. Ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin'ny mpianatra tany Damaskosy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|255E45A9-837A-46A9-BE82-64C3A5B7BC9A
20
Ary niaraka tamin'izay dia nitory teo amin'ny synagoga izy ka nilaza an'i Jesosy fa Zanak'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EC45DCB-7B7A-49C9-9A38-E391FEE6A7D4
21
Ary talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema? ary tonga aty koa izy mba hitondra azy mifatotra ho any amin'ny mpisoronabe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7187F12B-9AC7-4730-9ED8-7BE11DE632A9
22
Ary Saoly mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy no Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1A84392-BD29-4929-B4A1-6DD9207904F4
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany