Asa 9: 1-43

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9456A201-3B3F-4F48-ADA9-37D9D4C219E2
2
ka nangataka taratasy taminy ho any amin'ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E41ADFAB-FC6A-4561-8B28-36980BDFDC12
3
Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra tampoka manodidina azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89E156F9-1BFF-4CE0-8A08-6CDA1AA61CAD
4
dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0D98C35-4A94-4D32-84CB-86C1800FA238
5
Ary hoy izy: Iza moa hianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F064FF0-0DF7-4DB4-9691-73EC32BE9C12
6
fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BFFBD98-0040-48D0-8728-32A461D6A080
7
Ary ny olona izay nomba azy tamin'ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo izy, nefa tsy nahita olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDC77876-8FC1-4931-B7DC-C4A0A5D4A4BD
8
Ary Saoly nitsangana tamin'ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|968A10BE-35EF-4BA6-AA19-BA8915D8F719
9
Ary tsy nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2638D285-63F3-4E68-B395-6207EAF9C52B
10
Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy tamin'ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BA699A9-5BBD-4F9B-9C55-BFDADB362264
11
Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin'ny làlana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon'i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy ny Tarsosy; fa, indro efa mivavaka izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5E2F08E-57E4-49B5-88DD-5E8C2B529440
12
ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tànana taminy, mba hahiratra indray ny masony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C76E20F0-CA94-4DCB-99D4-D24528EEB4B2
13
Ary Ananiasy namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin'ny maro ny haben'ny ratsy nataon'izany lehilahy izany tamin'ny olonao masina tany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AD4ED27-B8E8-48DF-B9A1-05291E895101
14
Ary manana fahefana aty koa avy tamin'ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67273A87-AF30-4350-99C3-3B53AECFB8CE
15
Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'Isiraely;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9DBF2E0-A09B-45B1-8695-9995290FEEAD
16
fa hasehoko azy ny habetsahan'izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4D17E4B-DC9C-45B5-A79A-762EAF89DB3F
17
Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tànana taminy ka nanao hoe: Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin'ny làlana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan'ny masonao, ary mba ho feno no Fanahy Masina hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAFC7CE8-F4B9-4E21-AFCB-D35269C12E5B
18
Ary niaraka tamin'izay dia nisy zavatra toy ny kiran'ny hazandrano niala avy tamin'ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D1943F2-5200-4266-80A0-9615DE30F852
19
ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. Ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin'ny mpianatra tany Damaskosy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|255E45A9-837A-46A9-BE82-64C3A5B7BC9A
20
Ary niaraka tamin'izay dia nitory teo amin'ny synagoga izy ka nilaza an'i Jesosy fa Zanak'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EC45DCB-7B7A-49C9-9A38-E391FEE6A7D4
21
Ary talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema? ary tonga aty koa izy mba hitondra azy mifatotra ho any amin'ny mpisoronabe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7187F12B-9AC7-4730-9ED8-7BE11DE632A9
22
Ary Saoly mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy no Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1A84392-BD29-4929-B4A1-6DD9207904F4
23
Ary rehefa afaka andro maromaro, dia nihendry hamono azy ny Jiosy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|106942E9-67A8-406A-981E-3A6CA7B30253
24
nefa fantatr'i Saoly ny fihendreny. Ary izy ireo niambina ny vavahady andro aman-alina hamonoany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3112AE8F-1F81-4FBB-8938-6A660E92FA21
25
Fa ny mpianany naka azy nony alina ka nampidina azy tamin'ny sobiky avy eo amin'ny mànda.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC24387D-7D1C-43E9-9BD8-47F614C8AAAA
26
Ary rehefa tonga tany Jerosalema Saoly, dia nitady hiray tamin'ny mpianatra; fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1D1EA3E-B80B-444C-A821-48180D01444F
27
Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin'ny Apostoly, dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dàlana ary ny fahasahiany nitory ny anaran'i Jesosy tany Damaskosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1BCA7E7-007E-4F03-AD4D-05EFC0AC6571
28
Ary izy niara-niditra sy nivoaka tamin'ireo tany Jerosalema,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|710407A6-0765-4349-AD56-5BAFE42E43F0
29
sady nitory tamin'ny anaran'ny Tompo tamin'ny fahasahiana ary niresaka sy niady hevitra tamin'ny Helenista; fa ireo nitady hahafaty azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC852A49-DD84-4FFE-85D2-0EF82C506FB0
30
Ary rehefa fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDA050ED-CBDD-4A2D-9EBB-787815B69029
31
Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran'i Jodia sy Galilia ary ny Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin'ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan'ny Fanahy ka nihamaro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C40C183F-C0DF-4310-8ED5-6F024EBA7FDB
32
Ary raha nandeha nitety ny tany rehetra Petera, dia nidina ho any amin'ny olona masina nonina tany Lyda koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C095E757-3C9D-4AB2-8808-35BC8DFB169C
33
Ary izy nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo am-parafara, fa nararin'ny paralysisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0411580F-B647-472D-93E7-ECF9E34B7F06
34
Ary hoy Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAB00B22-9E07-48E0-82F3-7EB7C7DA549B
35
Ary nahita azy izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8B2E090-F2B5-4207-AB58-C40C176D6B70
36
Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe: Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy , ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon'izany vehivavy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66B79C3B-1926-4DA5-9AB8-1203CC0195F4
37
Ary narary izy tamin'izany andro izany, ka dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia napetrany tao an-trano ambony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85EDCA28-588E-41E8-8FD9-3CEA16B718DF
38
Ary satria Lyda akaikin' i Hopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankaty aminay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F363E804-9656-47D0-A728-4C38F5F81E83
39
Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin'i Dorkasy fony fahavelony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18AD11DE-FB3E-4B59-B5E5-17F4AD91C3F7
40
Ary navoak'i Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka nanao hoe: Ry Tabita, mitsangàna. Dia nahirany ny masony; ary raha nahita an'i Petera izy, dia niarina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC950B74-1C4F-40AF-87F8-4C8F62A04683
41
Ary Petera nanolo-tànana azy ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masina sy ny mpitondratena izy, dia nanolotra azy velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56826264-7053-460E-B720-CDF0445153D3
42
Ary dia fantatra eran'i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F59D18C0-FB25-4A4F-BC6C-60DF5A654D77
43
Ary Petera nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin'i Simona mpandon-koditra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F7243EE-49A5-492F-8607-BDED5883DEB7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany