Romana 1: 1-32

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Paoly, mpanompon'i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin'ny filazantsaran'Andriamanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A3856C6-20AF-4A57-94B3-709C1572FA49
2
izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin'ny Soratra Masina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82A578AC-F730-452C-93A6-B22E9076255E
3
ny amin'ny Zanany, Izay nateraka avy tamin'ny taranak'i Davida araka ny nofo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|432A9110-D279-4AE1-BC57-37237C1AA1FA
4
ary naseho tamin-kery ho Zanak'Andriamanitra araka ny fanahin'ny fahamasinana tamin'ny fitsanganana tamin'ny maty, dia Jesosy Kristy Tompontsika,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93976F3A-171D-40A8-B6C3-70F36F39B1EA
5
Izay nandraisanay fahasoavana sy mah'Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin'ny jentilisa rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C250426A-DBE6-496F-971C-B46FFA486C3A
6
ary hianareo koa, izay isan'ireny, dia voantso ho an'i Jesosy Kristy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4604BDB-9421-4721-BC8E-12B3C50255DC
7
ho an'izay rehetra any Roma, malalan'Andriamanitra sady voantso ho masina: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EB596D2-26B5-436D-864D-24652DD58965
8
Voalohany, misaotra an'Andriamanitro amin'ny alalan'i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria efa re eran'izao tontolo izao ny lazan'ny finoanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B81FF25-F598-4F57-96F4-BC0FE9B0057D
9
Fa Andriamanitra, Izay tompoin'ny fanahiko amin'ny filazantsaran'ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A867D68A-73D3-4E82-AF1C-DE336F4E073E
10
dia mangataka fandrao mba hisy hahafahako amin'izao ho tonga any aminareo, raha sitrapon'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53796F31-0943-49A1-A292-32788C1B7142
11
Fa maniry hahita anareo aho hanomezako fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaherezina hianareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC9B2071-B93F-45A5-8EF6-1F54F56D2114
12
izany dia ny mba hiarahako hamporisihina aminareo amin'ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDDEE605-3E4B-417F-B179-C9AE21C037A6
13
Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankaty aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananakoizay vokatra aty aminareo koa, toy ny any amin'ny jentilisa sasany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4A28D03-1B91-49DC-9E4C-0D05AFC1D8AA
14
Ananan'ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0CF1616-538C-41B4-8650-6E7C5218DD8B
15
koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CBCF308-6394-4C28-B150-443849F85FAC
16
Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E439918F-42D0-4493-AD76-D09DDADFE150
17
Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona (Hab. 2. 4).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E37A931-826E-419E-BE1E-FCB9ED308C56
18
Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan'ny olona izay misakana ny fahamarinana amin'ny fanaovan-dratsy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A2217CF-1DB0-4E2D-AA0A-D06B9BFEACBC
19
satria izay fantatra ny amin'Andriamanitra dia miseho ao am-pon'ireny, fa nasehon'Andriamanitra taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC494E0A-B61F-4842-A018-E0F8E8145021
20
Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|284A6EF6-8668-42C4-BAC4-D64836A70305
21
fa na dia nahalala an'Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an'Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin'ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|719438AF-416E-4539-A3D4-4348B54131AD
22
Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C2FFF77-E76B-4AD2-AE44-A79BA8150C02
23
koa ny voninahitr'Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lo sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BA5BABD-5EDE-4FC9-9449-97AAD1D48222
24
Ary izany no nanoloran'Andriamanitra azy tamin'ny filan'ny fony ho amin'ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin'ny tenany avy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|377EF316-8396-4F54-ADBE-4BC4938D79BC
25
ary ny fahamarinan'Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82102CE3-A2C0-4D15-9729-08C97528951A
26
Izany no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'ny tsy fanaony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA311FE7-658F-4A7C-99C6-A5EFB5B49052
27
ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD946FDD-DDC8-43B1-8B6C-CFC69575563C
28
Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy mendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2113722-8D9E-4527-9E59-375282AE430E
29
ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo, feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otripo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5F278CA-0F1D-42D2-8403-463E2382BAF8
30
mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan'Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9641BB28-D038-4E85-9968-81B9D8DD833D
31
tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDCBD816-00B4-4ED5-B481-EEE86EC79D6E
32
dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|139B8BEE-D012-4600-A3BF-2F6A06ADC790
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany