Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ry rahalahy, ny irin'ny foko sy ny angatahiko amin'Andriamanitra ho an'ireny dia famonjena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43B83E3D-EF16-496A-975A-FB4597AE9733
2
Fa vavolombelon'ireny aho fa mazoto ho an'Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E340DD7-C08C-4614-BC11-425A6FFEB844
3
Fa satria tsy Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0ED19A4-86AA-4A5C-8C9E-69C0918410DC
4
Fa Kristy no faran'ny lalàna ho fahamarinana ho an'izay rehetra mino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55AFFA25-7E77-4743-AB14-4697D879D734
5
Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin'ny lalàna no ho velona amin'izany (Lev. 18. 5).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71CEEC53-A871-4C56-886D-4DB76C37B0E2
6
Fa ny fahamarinana izay avy amin'ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an'i Kristy izany,)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D12FF16-D40D-4F7D-90E7-18E9AF8146E8
7
na: Iza no hidina any amin'ny lalina? (dia ny hampiakatra an'i Kristy avy any amin'ny maty izany.)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6F25269-36C6-4E82-94AC-54ACF8EF0DC9
8
Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao (Deo. 30. 12-14), dia ny teny ny amin'ny finoana, izay torinay;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|787C9B4B-A300-4A32-BAC4-CD00E7E470D4
9
satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E08E780-E4C1-4167-B78B-0D7BE4F68DA5
10
Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anakena hahazoana famonjena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19E99AEA-623F-4C7F-AFA1-76BA0815541F
11
Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy (Isa. 28. 16).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C76FD6B9-19E1-4D93-8344-2A6EF35338A2
12
Fa tsy misy hafa, na ny Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Azy Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|813C61B2-2BCC-4A11-A66D-FF78D191B49B
13
Fa izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena (Joe. 3. 5).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|671BDE6A-6A27-4C5F-9033-5ED190D49352
14
Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7670E2B2-7CCE-4CA9-9217-DA5C2786FBE0
15
Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly? (Isa. 52. 7).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2891104-90B9-49F4-A3FA-353C1C9A214D
16
Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay? (Isa. 53. 1)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDF943DF-96F8-460A-B4D9-A6709B2CFA3F
17
Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|482E3F91-17B9-4D72-8889-A287FAB3D521
18
Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny feony, Ary ny teniny hatramin'ny faran'izao rehetra izao (Sal. 19. 4).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E848FE7-6628-439F-AEC0-54FDD5261E53
19
Fa hoy izaho: Sao tsy nahalala ny Isiraely? Voalohany, Mosesy manao hoe: Izaho hampialona anareo amin'izay tsy firenena, Dia amin'izay firenena adala no hampahasosorako anareo (Deo. 32. 21).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2D442AC-AC1C-40CA-8001-09982A807154
20
Fa sahy mihitsy Isaia ka manao hoe: Hitan'izay tsy nitady Ahy Aho, Ary niseho tamin'izay tsy nanontany Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|884298B5-FB01-428D-AF6E-02701C396610
21
Fa ny amin'ny Isiraely dia hoy izy: Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tànako tamin'izay firenena sady tsy manaraka no mandà (Isa. 65. 1, 2).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9484E63E-1DF2-474D-B914-E29AABB8AAF8
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany