Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia hoy izaho: Sao narian'Andriamanitra anie ny olony? Sanatria izany! fa izaho koa mba Isiraelita, taranak'i Abrahama ihany avy amin'ny firenen'i Benjamina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90EE3AD3-1F4B-4F88-82B4-72C0B7F3F371
2
Andriamanitra tsy nanary ny olona izay efa fantany rahateo; sa tsy fantatrareo izay lazain'ny Soratra Masina eo amin'ny tantaran'i Elia, dia ilay fitarainany tamin'Andriamanitra nentiny namely ny Isiraely hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2821FB7-3EEF-4A96-9D81-0160970F4DC5
3
Jehovah, efa namono ny mpaminaninao sy nandrava ny alitaranao izy: ary izaho irery ihany no sisa, ka mitady ny aiko koa izy? (1 Mpan. 19. 14.)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08ADF732-83EF-4BEF-8225-91AA6E3A1143
4
Fa ahoana no navalin'Andriamanitra azy? Izaho efa niaro fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy mba nandohalika tamin'i Bala (1 Mpan. 19. 18.)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|379E3DF3-DF0C-4B7B-BC62-E00E271B00AC
5
Dia toy izany koa amin'izao andro ankehitriny izao misy sisa ihany araka ny fifidianana amin'ny fahasoavana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBB0A55B-3604-4A69-BE97-59ABE9A5F731
6
Ary raha avy amin'ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin'ny asa intsony; fa raha izany, dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43D7A195-5C87-44B4-B7CF-F2A9A30706B4
7
Ahoana ary? Izay notadiavin'ny Isiraely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany, fa nohamafìna kosa ny fon'ny sisa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1393EB82-8573-444E-9D49-D41A115A0C87
8
araka ny voasoratra hoe: Andriamanitra efa nanome ny azy fanahy sondrian-tory sy maso tsy hahita, ary sofina tsy hahare, mandraka andro-any (Isa. 29. 10; Deo. 29. 3).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E420189C-54F2-4DFB-869C-B8AAD5C732C8
9
Ary hoy Davida: "Aoka ny latabany ho fandrika sy ho tonta ary ho fahatafintohinana sy ho famaliana azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC4E81E8-61E6-4E47-9DA0-8024E632A742
10
Aoka ny masony ho jamba tsy hahita, ary aoka hamokoka mandrakariva izy" (Sal. 69. 22, 23).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|941C871C-5AC0-4B33-AC01-90D6BDAF1558
11
Dia hoy izaho: Sao dia tafintohina ho lavo anie ny Isiraely? Sanatria izany! fa ny fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an'ny jentilisa mba hampialona azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D65C5D0-ADB0-4404-9E78-2498FF171E3D
12
Ary raha ny fahatafintohinany no tonga haren'izao tontolo izao, ary ny nihenany no tonga haren'ny jentilisa, mainka fa ny hafenoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3646EEC8-1927-47C9-AFDE-1CB555FEA4C6
13
Fa hianareo jentilisa no itenenako. Koa satria Apostolin'ny jentilisa aho, dia mankalaza ny fanompoako,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DE54194-5D7C-4848-9602-E57DA93EBFB6
14
raha mba misy hahazoako hampialona ireo mifanapa-tsinay amiko, mba hamonjeko ny sasany aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCAABF6F-3B6B-4BF4-9F61-E6AA7536080E
15
Fa raha ny fanariana azy ny fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana amin'ny maty va ny fandraisana izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AEED2E0-7590-494B-8634-EA06844F3189
16
Ary koa, raha masina ny santatra, dia masina koa ny vongany; ary raha masina ny fakany, dia masina koa ny sampany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B02D450-CD8B-41BF-96DE-7364F9104DC2
17
Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary hianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka teo aminy ka mba niombona ny fakan'ny menaky ny hazo oliva,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30CA7725-ECC8-4B9C-9C13-93A2BA397220
18
dia aza mirehareha amin'ny sampany; fa raha mirehareha hianao, tsy hianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A87A51BB-F3F7-4676-9143-78F51A769AF8
19
Ary hianao dia hanao hoe: Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F512B73-914B-4BA8-8995-B2EDC1AF74B1
20
Marina ihany izany: ny tsi-finoany no nanapahana azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01B053FD-4317-4C64-B3B3-6EF68B26887C
21
fa raha ny tena sampany aza tsy navelan'Andriamanitra, dia tsy havelany koa hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|264DDCFC-96F1-4E7D-9EAA-CAE6E9CA4D67
22
Koa indro ny fahamoram-panahin'Andriamanitra sy ny fahasaro-pony: amin'izay lavo dia fahasaro-po; fa aminao kosa dia fahamoram-panahin'Andriamanitra, raha maharitra ao amin'ny fahamoram-panahiny hianao: fa raha tsy izany, dia hotapahina koa hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2AA7B85-CD01-49D0-8A46-37B66DB28ABF
23
Ary ireny kosa, raha tsy mikikitra eo amin'ny tsi-finoana, dia hatsofoka ihany: fa azon'Andriamanitra atsofoka indray izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81E0BAF0-0082-4FF6-99F9-E8DC114FA109
24
Fa raha notapahina tamin'ny hazo oliva naniry ho azy hianao ka natsofoka tamin'ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin'ny hazo oliva nanapahana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDD9258C-09F3-4438-BD3D-4C2AE10D1F09
25
Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry hianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan'ny jentilisa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|635345F6-C831-4B94-80F2-80A5E5BE7DEA
26
ary amin'izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, -araka ny voasoratra hoe: "Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin'i Jakoba izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61E551DF-EDEA-424B-85CB-D1D5CFEDA8EB
27
Ary izao no fanekeko aminy, Raha manaisotra ny fahotany Aho" (Isa. 59. 20, 21; 27. 9).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76D48504-1F11-47D6-9D2E-88FC9D48E49D
28
Raha ny amin'ny filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa raha amin'ny fifidianana kosa dia malala izy noho ny amin'ny razana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E5803CA-0F5C-4145-8652-B204F3451E49
29
Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan'Andriamanitra dia tsy misy hanenenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1D38A09-ADEC-42EA-B5EF-FD6760BED78D
30
Fa tahaka anareo izay tsy nanaiky an'Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken'ireny no nahazoanareo famindrampo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59B99C13-4E39-406D-8555-EEF11C240643
31
dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindrampo ankehitriny noho ny famindrampo azonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|910458F1-145E-4306-A9A7-CBD9112DAB2F
32
Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin'ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin'izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6480E30-13C7-4EB5-9117-1A06D0205638
33
Endray ny halalin'ny haren'Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C206A4C8-313D-4BC3-A201-35F49775CCA2
34
Fa iza no nahalala ny sain'i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy? (Isa. 40. 13)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21F1F4FD-89F7-4227-8024-2B4864396891
35
Na iza no nanome Azy aloha hamaliana azy indray?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|720AF921-2C20-4C99-8B90-2C4DA654A6A5
36
Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A6BA074-0904-4918-8C4F-6C83E5FDEE9E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany