Andininy
Protestanta Malagasy
1
Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|228A703B-C0A0-4DE5-99AE-D4D41D17A304
2
Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0142EF3-FCAC-4024-9541-77BD4B2E6CB6
3
Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin'ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain'Andriamanitra ho anareo avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61802C3D-0AD6-4861-891E-BD78C7113619
4
Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCB5793B-B447-4DED-A6FD-D1F4F1F514BD
5
dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A92F84FB-E34B-45CE-95C8-67F4BB5C895E
6
Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D3F6B09-6565-4F57-9989-1536504E3F88
7
raha fanompoana amin'ny fiangonana, dia aoka ho amin'ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin'ny fampianarana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|051385C0-96C5-4FA7-B556-691C32F49C03
8
raha mananatra, dia aoka ho amin'ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin'ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin'ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin'ny fifaliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E636C68-EBBB-4573-8A4F-AC7A1B5327CD
9
Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsarambelatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FCD04B5-A30E-4463-BE37-77D73C5AC603
10
Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha làlana amin'ny fanomezam-boninahitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8D57535-6352-43D1-9B57-04361A97AE52
11
Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|894F645E-C4A5-41E3-A8B4-005FA9329284
12
Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15060C37-A8B3-4DA3-830D-A8F40D104A83
13
Miantrà ny olona marina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BD297DE-300C-467D-BBCA-77C24C0F7A2E
14
Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|669B8C66-1252-4830-9FDD-FF80BD764BA7
15
Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|736A402A-FAB6-4A0C-A36F-C59341AFB636
16
Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavona, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena hianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B494155-EAE5-4BF4-AE91-174166F8D983
17
Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C236F5C0-8600-41F4-A0BC-D5C2FAF7D300
18
Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3020E736-DBE8-4991-BC76-710B0FE458D1
19
Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah (Deo. 32. 35).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8ABC71B0-0013-4E3C-A7FC-52CE3CE9FA85
20
Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany hianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E957B54-432E-498C-B80E-C701FCE2632A
21
Aza mety ho resin'ny ratsy hianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB209AC1-80BB-4E28-8CEF-639769FDEABD
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany