Andininy
Protestanta Malagasy
1
Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|144B6DC3-19E0-4D77-9E33-D2DE20B9BDC2
2
Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin'Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD09AF57-92ED-4BA3-9706-F7F2FAB03E73
3
Fa ny mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy hianao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B15C7213-1471-4D41-BA77-355AB6C74B7F
4
fa mpanompon'Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no ataonao, dia matahora, fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon'Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin'izay manao ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6497D91-052D-4CB6-97AE-719BCEC8EE8B
5
Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny fieritreretana koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|946FB8B6-27EB-426B-86E1-A8D16BD369E4
6
Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon'Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CB0DA00-D16C-42CA-B6F9-C5C4E65D5403
7
Mandoava amin'izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an'izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an'izay tokony handoavana fadin-tseranana, tahotra ho an'izay tokony hatahorana, haja ho an'izay tokony hohajaina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A36C827E-6DCD-4545-A511-05F2676E222E
8
Aza avela hisy tsy voaloa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF7BA942-5DC4-44C4-9783-AC6022ECF5C3
9
Fa ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr'olona (Eks. 20. 13-17), mbamin'izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin'izao teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2A4B1A1-D9EE-4286-9A25-07B38C596B06
10
Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|785F011A-03DA-41D7-931B-3029F80AD457
11
Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin'ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin'ny andro vao ninoantsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40F7B779-91DF-4C23-9F30-8F433ECF3FDB
12
Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan'ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian'ny mazava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0500834B-0091-491B-8576-6AC250B2F2E2
13
Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro; tsy amin'ny filalaovan-dratsy, na amin'ny fahamamoana, tsy amin'ny fijangajangana, na amin'ny fijejojejoana, tsy amin'ny fifandirana, na amin'ny fialonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8B67FF5-E5D2-42D9-84CD-7CAE43DEEA09
14
Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|388A5BCB-0AAE-4A67-941A-416BBA179CF5
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany