Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary raiso ny malemy fianoana, nefa aza mandray azy hitsaranareo ny eritreriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D21E1D2A-55A8-480E-B4FC-28E5FDCB40A7
2
Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehetra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zavamaniry ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C93D1CFC-70CC-47C3-86D1-2D4760ABD348
3
Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|329AA6FA-4AA1-42D0-BD2A-71973542AE76
4
Iza moa hianao izay mitsara ny mpanompon'ny hafa? Amin'ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampotoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C486D81F-3610-4EDD-914C-9C8B8B0BD13F
5
Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1767BBF9-CA9C-4283-92FD-BB06786A3EC1
6
Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an'ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an'ny Tompo, satria misaotra an'Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an'ny Tompo, sady misaotra an'Andriamanitra koa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0BD06F3-C20D-40E5-8D58-DFE8A76D6DE6
7
Fa tsy misy velon-ko an'ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an'ny tenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61291DE3-CBE9-4C30-A725-DD8A4D57FE44
8
Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B7BA2C4-D8B6-4B8B-BC05-B054A4C0BEEC
9
Fa izany no nahafatesan'i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon'ny maty sy ny velona Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1B204CF-43AB-4840-A8E6-87B9664BFA57
10
Fa nahoana hianao no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana kosa hianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan'ny fitsaran'Andriamanitra isika rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E201181-12B4-4D7F-A386-B2999DC550B3
11
Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an'Andriamanitra (Isa. 45. 23).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9041C7FE-B2D1-45A2-AED0-B164D05C5ECE
12
Koa samy hampamoahin'Andriamanitra ny amin'ny tenany avy isika rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FF6FA16-FF24-426A-813D-78F60F97C515
13
Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan'ny rahalahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9630347-806E-43D5-8282-1916CCAA1576
14
Mahalala sady matoky ao amin'i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|132C016B-BE1C-45EA-AE84-D342DE1923D6
15
Fa raha mampalahelo no rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony hianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10E6004A-515D-421E-ADAA-793194984BE7
16
Aoka ary tsy mba hotenenina ratsy ny fahasoavana azonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23E4C6D8-0CF6-4F98-9BF2-96A69A91DCF3
17
Fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy amin'ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|715F26E7-EE9E-4AE0-913B-9E453A05DF61
18
Fa izay manompo an'i Kristy amin'izany zavatra izany no sitrak'Andriamanitra sy eken'ny olona fa tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3779CF8-F2BF-4225-AE73-57DA3424FA99
19
Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fampandrosoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE13D13A-5534-44EF-B7B1-B6F99CF3B859
20
Aza izay hanina no andravanao ny asan'Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an'ny olona izay mihinana amin'ny fahatafintohinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4358D92A-927F-44AB-B4A6-D7F2CA816EEC
21
Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53F7938C-33D2-4A94-9EF8-CAEB527EB00F
22
Ny finoana izay anananao dia hazôny ho anao eo anatrehan'Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin'izay zavatra ekeny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|919E3A0E-701A-45C5-9B0B-6C74BBB67DEF
23
Fa izay miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin'ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin'ny finoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F75978C1-F268-45B3-A4FC-7F4667B55A11
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany