Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen'ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D53713FA-2DA8-473E-8DAD-D84F5B6DAA7D
2
Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin'izay hahasoa sy hampandroso azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58DCEA07-1CF6-4B5E-819D-E0ED386228EE
3
Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany; fa araka ny voasoratra hoe: Ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko (Sal. 69. 9).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB44546C-E956-4170-8580-BCF7AE435754
4
Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana ny amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3788810B-3C46-426F-A75E-1F3FFC537D04
5
Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an'i Kristy Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CD25395-EBF1-4CA1-B585-0BB47A420C65
6
mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19065BA8-B8F6-486A-A9B4-A1E48F41315A
7
Koa mifandraisa hianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo koa ho voninahitr'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65ECF742-A946-4631-AD47-B59493355F91
8
Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon'ny voafora noho ny fahamarinan'Andriamanitra hahato ny teny fikazana tamin'ny razana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53F32839-853A-4BB6-A380-8E7918AC74A5
9
mba hankalazan'ny jentilisa an'Andriamanitra koa noho ny famindrampo, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin'ny jentilisa sy hankalazako ny anaranao (Sal. 18. 49).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCFDB457-4FB1-4B38-BF5B-37FDF644F088
10
Ary hoy koa Izy: Miravoravoa ry jentilisa, mbamin'ny olony (Deo. 32. 43).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D286F9D-2AEF-4803-A1F5-7BAE14D15C7E
11
Ary koa: Miderà an'i Jehovah, ry jentilisa rehetra, Ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra (Sal. 117. 1).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A5DB059-90BB-4083-A777-D0BB32B6768E
12
Ary hoy koa Isaia: Hisy solofon'i Jese, Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa: Izy no hitokian'ny jentilisa (Isa. 11. 10).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDDFA3E9-473D-4DDD-A865-BD0451794D34
13
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|440E9E23-D0E9-429E-8E5E-CAC6BD25BF39
14
Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana hianareo, dia feno ny fahalalana rehetra sady mahay mifananatra koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F4BA091-FA21-4790-91A0-1080C59AE9BD
15
Kanefa amin'ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen'Andriamanitra ahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7A99CD0-9559-48EA-9203-9A6F3E4E4040
16
mba ho mpanompon'i Kristy Jesosy ho an'ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny itoriako ny filazantsaran'Andriamanitra, mba horaisina amin'ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin'ny Fanahy Masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4739304-A0C0-4587-910A-5D6D9779DB27
17
Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin'i Kristy Jesosy aho noho ny amin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80E812FC-0C65-4992-ADAE-348CB1520609
18
Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin'i Kristy ahy, na tamin'ny teny, na tamin'ny asa, mba hampanaiky ny jenitilisa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C94AE12-7179-4299-95E3-7215C9CCA7B0
19
dia tamin'ny herin'ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16C3604A-703E-4449-91A8-554D77FD480C
20
Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin'izay efa niantsoana an'i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin'izay efa naorin'ny sasany aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCF90E2F-B0E8-4A5A-9B48-ED481914B65B
21
fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy nilazana Azy no hahita, Ary izay tsy nandre no hahafantatra (Isa. 52. 15).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A847A6CF-176B-449D-9AF0-865BD59FCEE5
22
Ary izany no nahasampona ahy matetika tsy hankany aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3311F289-75ED-4635-928F-21206A4EA20B
23
Fa ankehitriny, satria tsy misy antony intsony ny itoerako amin'ireto, sady efa naniry hatramin'ny taona maro hankany aminareo aho,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAB3F42E-83DB-4AB1-9E4F-2EAF1B60B269
24
raha mankany Spania; fa manantena hahita anareo amin'ny alehako aho ka haterinareo ho any, rehefa afakafaka ny alaheloko anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6906F030-91E8-47EC-893F-5CBB27B2CA71
25
Fa ankehitriny dia efa hankany Jerosalema aho hanompo ny olona masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEB0BCC6-AD70-43D3-AAFC-EF9077635A36
26
Fa efa sitrapon'i Makedonia sy Akaia ny hamory vola hiantrana ny malahelo amin'ny olona masina any Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E888ECF-C14E-45B2-B4F5-405DACAD9535
27
Eny, sitrapony izany, sady mpitrosa aminy izy. Fa raha ny jenitilisa no niombona ny zava-panahy taminy, dia tokony hanompo azy koa amin'ny zavatra momba ny nofo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5A2D9AF-C6BF-4E79-A134-6735E8D3EEF1
28
Ary rehefa vitako izany, ka voatolotro azy soa aman-tsara izany vokatra izany, dia hihazo any aminareo aho, raha mankany Spania.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C23F33A7-FBAC-4F0B-82E0-C02798174BF5
29
Ary fantatro fa raha mankany aminareo aho, dia homba any ny fahafenoan'ny fitahian'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF9F4FB8-C4EA-4B20-AEEA-FBA37723DC4D
30
Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin'ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin'ny fivavahanareo amin'Andriamanitra ho ahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E5F25F4-3231-45F5-91EF-43C62D5A63F7
31
mba ho voavonjy amin'ny tsy mino any Jodia aho, ary mba hankasitrahan'ny olona masina izay fanompoana hataoko ny Jerosalema,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6287D420-6F18-4A2B-8148-DE37D439808C
32
mba hankanesako any aminareo amin'ny fifaliana, raha sitrapon'Andriamanitra, ka samy ho vavolombelona ny fontsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E378273D-2C57-4898-AC08-3F2927F1E69E
33
Ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56D60953-00F1-41B7-917E-49A9A93E8A05
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany