Romana 16: 1-27

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Indry, Foiby anabavintsika, diakon'ny fiangonana aty Kenkrea, lazaiko tsara aminareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9A84790-4DD5-4BB5-B6E0-37EC2DD82757
2
mba horaisinareo ao amin'ny Tompo izy, toy izay miendrika ny olona masina, ary mba hampianareo izy amin'izay raharaha ilany anareo; fa izy dia mpiahy ny maro mbamin'ny tenako koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54C55E1A-54FF-4DFB-8C18-D61F5A33EFAD
3
Veloma amin'i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin'i Kristy Jesosy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE4FF3D2-3A35-48BA-9861-BF22364E88B0
4
izy mivady dia nanolotra ny tendany hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny fiangonana rehetra any amin'ny jentilisa koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9FB58D2-6290-43AE-B1EC-9B44CC8DCAFC
5
Ary veloma amin'ny fiangonana izay ao an-tranony. Veloma amin'i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatr'i Asia ho an'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F303AE38-F282-40B6-8DA6-626CA895E20B
6
Veloma amin'i Maria, izay nikely aina fatratra ho anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7F43AC8-548A-4EBC-B470-373F2A3F1359
7
Veloma amin'i Androniko sy Jonia, havako sy namako niara-nifatotra tamiko, izay malaza eo amin'ny Apostoly sady tao amin'i Kristy talohako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C82862A9-0F15-40F1-8296-0D1A0C58D595
8
Veloma amin'i Ampilato, malalako ao amin'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|080ECD1D-4F62-4C78-A75F-C7171ED85320
9
Veloma amin'i Orbano, mpiara-miasa aminay ao amin'i Kristy, sy Staky malalako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEDE86CF-463A-46F4-A25A-692E82690E77
10
Veloma amin'i Apela, ilay efa voazaha toetra ao amin'i Kristy. Veloma amin'ny ankohonan'i Aristobolo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE38A678-1702-48C2-96B3-F71CAFFAD044
11
Veloma amin'i Herodiona havako. Veloma amin'ny ankohonan'i Narkisa, izay ao amin'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD38A770-0B36-4209-9031-F2B239975714
12
Veloma amin'i Tryfena sy Tryfosa, izay mikely aina ao amin'ny Tompo. Veloma amin'i Persy malala, izay nikely aina fatratra tao amin'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|020F17A1-24FF-4361-B81C-217DFAC769BC
13
Veloma amin'i Rofosy, ilay voafidy ao amin'ny Tompo, ary amin'ny reniny sy reniko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA0277E3-5C9C-4F66-BE50-CF30C7A8649E
14
Veloma amin'i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, mbamin'ny rahalahy ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98F119E1-B45C-4B98-A68C-C0A5BCF4853E
15
Veloma amin'i Filologo sy Jolia, Nerea sy ny anabaviny sy Olympa ary ny olona masina rehetra izay ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BEF87C6-E062-4853-B4DD-79DCBD8CD478
16
Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina. Ny fiangonana rehetra an'i Kristy manao veloma anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF1ADD11-4769-4905-BC54-75795094DCF6
17
Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin'izay mahatonga fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin'ireny olona ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26614DB4-A8A9-48C9-8BF1-5C02B94EA4C8
18
Fa izy ireny tsy mba manompo an'i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon'ny tsy ary saina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5FDD675-2257-4FAA-870A-75499F7024E5
19
Fa efa niely any amin'ny olona rehetra ny lazan'ny fanarahanareo. Ary faly aho noho ny aminareo; satria tiako ho hendry amin'izay tsara hianareo, ary tsy hiharo amin'izay ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C4A7BC7-1BF4-43AC-B3B6-CFA5B3496FCA
20
Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an'i Satana faingana eo ambanin'ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B5F3FF4-A6D2-4FA7-849D-021BFC26A82D
21
Manao veloma anareo Timoty, mpiara-miasa amiko, sy Losio sy Jasona ary Sosipatro havako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3F98305-2DE2-4F93-81A5-80510F86ADE0
22
Izaho, Tertio, izay manoratra ity epistily ity, manao veloma anareo ao amin'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B594D3AE-C1FF-489F-8D11-3EBCF09982B7
23
Gaio, ilay itoeranay sy ny fiangonana rehetra, manao veloma anareo. Erasto, mpitahiry ny volam-panjakana ato an-tanàna, sy Koarto rahalahy manao veloma anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|049B6664-668F-4BCD-879E-22C0E2C96B92
24
Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A3D6E70-4289-4689-8499-84256A1AC7A8
25
Ary hoa an'Izay mahay mampahery anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an'i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zava-niafina, izay voàfina hatry ny fony fahagola,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|536D63B0-D644-409A-B2AC-F0DF449D5F00
26
fa efa naseho ankehitriny tamin'izay soratry ny mpaminany, araka ny didin'Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin'ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana, -
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56DF4521-5C56-4534-A913-EE2E25D85D5A
27
ho an'Andriamanitra tokana ihany sady hendry anie ny voninahitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay. Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C45FDF64-6071-4653-8921-CC34E941914D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany