Andininy
Protestanta Malagasy
1
Koa amin'izany dia tsy manan-kalahatra hianao ralehilahy, na zovy na zovy hianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa hianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|362B4359-E5A9-4530-9AE8-61C556E02164
2
Nefa fantatsika fa ny fitsaran'Andriamanitra dia araka ny marina amin'izay manao toy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|495F5A98-19B1-4B06-A257-19731AD77A06
3
Ary hianao, ralehilahy, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran'Andriamanitra hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07EFF8BB-CB8E-407B-BA20-3F100C41D625
4
Sa hamavoinao ny haren'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3C17854-4092-45F5-BC4C-00E802315CCE
5
Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no iraketanao fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC43719D-3657-44DE-BCDC-850B532EAAC5
6
Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0144013-385B-4EC4-ACBD-FF1652B8725C
7
ho an'izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4BB1204-FEAB-4D72-B5EA-58CCFB2333A9
8
fa ho an'izay mitady ny ho an'ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F2596F9-6CA7-4CC9-B234-430AEA73A2D9
9
eny, fahoriana sy fahantrana ho an'ny fanahin'ny olona rehetra izay manao ratsy, amin'ny jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BA99C0C-88C0-446A-BAC3-D35D1DC588FA
10
fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an'ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C81477B5-B2FE-4BCB-9BF7-4734C8EA8CD8
11
Fa tsy misy fizahan-tavan'olona amin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|766C1B5B-07CF-480C-B402-E781A5EF0284
12
Fa izay manota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D5B13E7-7D83-496F-BB11-82B55BAC9F67
13
Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mpankatô ny lalàna no hohamarinina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B790438-08F9-4F1B-B844-5F5EDC75DB08
14
fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian'ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF2C32C0-96C7-4248-815A-5704A65BE13F
15
fa ireo maneho ny asan'ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C325F29E-9B93-470D-996C-49DF0A8070A2
16
amin'ny andro izay hitsaran'Andriamanitra ny zavatra takona ataon'ny olona, araka ny filazantsarako amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9150240-68C0-4A38-BBED-7A3D7E0DDDC8
17
Fa raha saingy atao hoe jiosy hiana ka mitoky amin'ny lalàna sy manao an'Andriamanitra ho reharehanao
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01B768AD-BAF1-43C5-A77C-ED43B32F554C
18
ary mahalala ny sitrapony sady mamantatra ny zavatra tsara indrindra satria efa nampianarina ny lalàna hianao
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|060AED87-544B-438E-A47C-1182934AE27A
19
ary matoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin'ny maizina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|185BDF7B-7B7F-4B7B-ACC2-1E1138B505A5
20
mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria hianao manana ny lalàna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F09D476E-4F7B-4647-A074-259E0FA0B158
21
ka moa hianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3329FB73-FA5E-4F83-AD1D-6D398A63A778
22
Hianao izay manao hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va hianao? Hianao izay mametaveta ny sampy, mba mandroba tempoly ihany va hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59BB8A7E-2FB5-4051-80AF-F63FE898FAFB
23
Hianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an'Andriamanitra ihany va hianao amin'ny andikanao ny lalàna?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43F2B1D5-9F97-43CA-8DB4-C518FA679108
24
Fa araka ny voasoratra, dia hianareo no itenenana ratsy ny anaran'Andriamanitra any amin'ny jentilisa (Isa. 52. 5).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FFDFC46-7460-47A2-90A4-78142C78ACDC
25
Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatô ny lalàna hianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa hianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADC5507B-F790-43E6-9D45-97365E2ABCA7
26
Ary raha mankatô ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan'ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D092A307-3FBE-43AB-A386-231F10038D9B
27
Ary tsy hohelohin'ny tsy mifora izay mankatô ny lalàna va hianao, izay mpandika ny lalàna na dia manana ny soratra sy ny famorana aza hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD21C484-426C-46BC-8E13-2FC290D73E74
28
Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60CAAB52-8DDD-4A4C-8BB5-44427E14A533
29
fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E08629AA-AFAB-47E1-A8E0-0C92F878045A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany