Andininy Protestanta Malagasy 1 Koa inona ary no tombony ananan'ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin'ny famorana? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75ECA30C-3384-4518-94C7-91716A5FFBB6 2 Be ihany amin'ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin'Andriamanitra ho adidiny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86991E77-1C18-4547-AD2F-10E667194DE8 3 Fa ahoana kosa ary? Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsi-finoany va hahafoana ny fahamarinan'Andriamanitra? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F6D8454-21B4-4D3B-938D-ABB2A5624964 4 Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin'ny teninao Hianao, Ary hahery rehefa manana ady (Sal. 51. 4). qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E43B3947-CCCE-4103-A63A-C76A7A8C12E0 5 Fa raha ny tsi-fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan'Andriamanitra, ahoana ary no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra Izay mandatsaka ny fahatezerany! - miteny araka ny fanaon'ny olona aho - qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F98AE08-F601-4E21-96B5-BC91D163B7E7 6 Sanatria izany! Fa raha izany, hataon'Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7323E88C-9D42-4407-B7B6-65B5C63ADCE2 7 Fa raha ny fahamarinan'Andriamanitra kosa no mitombo tamin'ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B0688D3-1D9E-492D-A831-E842F8F742FF 8 Ary nahoana no tsy hanao ratsy hihavian'ny soa isika, araka ny anendrikendrehana anay sy ny filazan'ny sasany anay. Marina ny fanamelohana ireny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|845655D8-2308-4BD7-8D96-65BAC04A75D8 9 Ahoana ary? Manan-kavaly va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7178D697-0EDE-45AC-B495-0059C4007256 10 araka ny voasoratra hoe: "Tsy misy marina na dia iray akory aza; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78803FB9-A115-49F8-87D3-0A93473465F5 11 Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an'Andriamanitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEE81FC1-3C46-4497-88E8-B1AB8E508984 12 Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza" (Sal. 14. 1-3). qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34E6C4F9-7382-4AF5-A862-A14285AEFA99 13 Fasana misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka (Sal. 5.9); Ny poizin'ny menarana no ao ambanin'ny molony (Sal. 140.3); qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D394A587-1078-406C-BA61-932EACEFD0CD 14 Feno ozona sy fangidiana ny vavany (Sal. 10.7); qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E93F3CAA-62A1-414E-B964-6B75806F9066 15 "Ny tongony mimaona handatsa-dra; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FC1B822-489B-41CA-9200-15CA75A0790D 16 Fandravana sy fandringanana no eo amin'ny alehany; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8D7D528-7691-494B-B65C-8795121B8641 17 Ary ny làlan'ny fiadanana dia tsy fantany" (Isa. 59. 7, 8); qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A88657FF-F2D0-4912-BF2E-07BC9611957A 18 Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra eo anoloan'ny masony (Sal. 36. 1). qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B4FB2B0-3BCC-4E03-9FE7-C01707E93905 19 Ary fantatsika fa izay zavatra lazain'ny lalàna dia lazainy amin'izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan'ny fitsaran'Andriamanitra izao tontolo izao, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD50E155-1CF2-408A-8518-C321840B9121 20 satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD6BC51C-EE48-423E-ACE0-500AB44DE4D1 21 Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, tsy amin'ny lalàna anefa, fa ambaran'ny lalàna sy ny mpaminany, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D24DD2D0-71B1-415A-936B-22F5224002FD 22 dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy ho an'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EBD5C2E-8475-4B88-B473-73B6526824BB 23 fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2747D3AB-B9C7-4706-927B-B8DE7A677149 24 nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|526E46AB-CA59-42E6-8B21-EE959A2816D5 25 Izay nasehon'Andriamanitra tamin'ny rany ho fanavotana amin'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny nandeferany, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22C56AB6-F5D4-44C3-B81A-B5AE3484375C 26 mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an'i Jesosy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF789C4F-BBF2-4A92-83F8-C59B8F1C32FC 27 Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin'ny lalàna manao ahoana? amin'ny lalàn'ny asa va? Tsia; fa amin'ny lalàn'ny finoana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE1110C1-4177-43B4-B14B-C15130AB6D10 28 Koa amin'izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan'ny lalàna. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E55ABFEF-D822-4812-939D-85014162E36C 29 Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an'ny jentilisa koa? Eny an'ny jentilisa koa; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6EAA9BA-1520-46FE-BC69-BF471F405E75 30 fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin'ny finoana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|433E9ADF-B2C0-4733-B923-249827A2836F 31 Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|781DDEF7-6FE2-49E8-B940-CAE55BCB6A14
|