Andininy
Protestanta Malagasy
1
Inona ary no holazaintsika ho efa azon'i Abrahama, razantsika araka ny nofo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|275E88C9-DBA7-479B-AAF4-523FD36D3522
2
Fa raha asa no nanamarinana an'i Abrahama, dia misy reharehany ihany, nefa tsy amin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCF6547E-634E-4D14-B3A2-12130C55ABC6
3
Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16AE2DC8-ABE4-4144-8DB6-E8F2567DFE07
4
Ary ho an'izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4E8F7A7-250B-4B78-A076-B82302F0CB9A
5
Fa ho an'izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44A3E4D1-A8C9-4417-97C7-DE3898736917
6
Dia araka izany koa no ilazan'i Davida fa sambatra ny olona izay isain'Andriamanitra fahamarinana tsy amin'ny asa hoe!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|974DD621-C980-4D34-AE33-CA80922F4163
7
"Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7C1F9DA-D7FA-4063-A970-5BA5FF1BA638
8
Sambatra izay olona tsy hisain'i Jehovah heloka" (Sal. 32 1,2).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96B5448D-2C49-4FDD-8B9D-37D45B7EC108
9
Koa izany fahasambarana izany moa an'ny voafora ihany va, sa an'ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan'i Abrahama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D951032-9B87-4410-8A68-5051591550DA
10
Ary ahoana no nanisana izany? Tamin'izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin'izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E25FAD75-DF2A-4E9D-8D36-5566355AB602
11
Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen'ny fahamarinana amin'ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain'ny olona rehetra izay mino izy, na dia tsy voafora aza, mba hisaina ho an'ireny ny fahamarinana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70F21FE2-0377-4155-9E1D-1A0D04441E4A
12
ary ho rain'ny voafora, dia tsy izay voafora ihany, fa izay mandeha araka ny dian'ny finoan'i Abrahama razantsika koa, izay nananany fony izy tsy mbola voafora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0DF33C4-80A2-4121-8C33-0801CC77ED2C
13
Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin'ny finoana, no nahazoan'i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC371F89-5869-4900-80C5-4F9C0579013D
14
Fa raha izay amin'ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny teny fikasana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34782416-E51D-4C21-90E9-F52F62ED916E
15
fa ny lalàna mahatonga fahatezerana; fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFC67F77-4D01-459E-8362-301C1992A146
16
Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatô ny teny fikasana ho an'ny taranaka rehetra, tsy ho an'izay amin'ny lalàna ihany, fa ho an'izay amin'ny finoana an'i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32536142-3F9A-470B-93FF-71CF855168A4
17
araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain'ny firenena maro hianao (Gen. 17. 5) - teo anatrehan'Izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A408EE28-28B0-4414-BB1D-2EE1F4369D3A
18
Ary na dia efa tsy nisy nanatenana aza, dia nanatena ihany izy ka nino, mba ho rain'ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao (Gen. 15. 5).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|438764FC-7223-469F-8002-957B95D7578E
19
Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan'ny kibon'i Saraha,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D7A7F98-18C6-4368-B3CF-482565996176
20
ary tsy niahanahana ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra tamin'ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin'ny finoana ka nanome voninahitra an'Andriamanitra
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A81D2CB0-8689-416F-9477-34ABA8DB8821
21
ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84728F4C-A213-4161-BE6E-0D48001F68A0
22
Dia nisaina ho fahamarinany izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B970246F-F700-4227-BD77-09F0F4834DC4
23
Nefa tsy ho azy ihany no nanoratana fa nisaina ho azy izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F76D6E32-051E-4391-8243-EB268963AC3F
24
fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an'i Jesosy Tompontsika tamin'ny maty,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94D343ED-6A73-40FC-A01A-31D030442C9D
25
Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fahamarinana antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D111F27-29E4-4DAA-A06D-433808981013
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany