Andininy Protestanta Malagasy 1 Inona ary no holazaintsika ho efa azon'i Abrahama, razantsika araka ny nofo? 2 Fa raha asa no nanamarinana an'i Abrahama, dia misy reharehany ihany, nefa tsy amin'Andriamanitra. 3 Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6). 4 Ary ho an'izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa. 5 Fa ho an'izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana. 6 Dia araka izany koa no ilazan'i Davida fa sambatra ny olona izay isain'Andriamanitra fahamarinana tsy amin'ny asa hoe! 7 "Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
|