Andininy Protestanta Malagasy 1 inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD65F09C-729F-4BD2-BC47-C27F9B873FFB 2 Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34038A57-71C3-406C-86D8-5DA58614D74E 3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|749E1A14-AD31-433A-B262-A0235F36F50A 4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4984DA3-E682-49EF-8631-AF5DDDB9416D 5 Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|477149AF-83E5-46B4-BC2E-95E983BFBE1F 6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02751ED4-89E4-41CE-B094-D6369F532EF9 7 Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37D3F66D-7092-4BC0-886D-26DD3D0DD4C9 8 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|406E8B07-1045-4C61-9622-AAB488FDD160 9 ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A41D345-1485-42D4-B71C-740E31DEE25A 10 Fa ny amin'ny nahafatesany, dia maty ny amin'ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin'ny ahavelomany kosa, dia velona ho an'Andriamanitra Izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A27D300-497D-46A5-B77F-3DE4A6244748 11 Ary aoka ho tahaka izany koa hianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EF79C28-AC7A-4FD9-95DB-E07D06BCFDFB 12 Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AEC26C7C-BFE3-49EC-9F96-B3D72071EA23 13 ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2FAF419-F780-4A69-A26B-D127B3ACC377 14 Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna hianareo, fa ambanin'ny fahasoavana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D98B1CB3-96F3-4613-B572-5F715249FE37 15 Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany! qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|253C2521-229F-4C3E-8082-26473953A94A 16 Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo hianareo na ho an'iza na ho an'iza, dia mpanompon'izay arahinareo hianareo, na ny ota ho amin'ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin'ny fahamarinana? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AAB9B18-D5A0-45F7-AB9C-03D4509129F4 17 Ary isaorana anie Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon'ny ota aza hianareo, ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban'ny fampianarana izay nanolorana anareo; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C38F04FB-B4DB-4E10-A0CB-CB45A3B2007B 18 ary rehefa natao afaka tamin'ny ota mhianareo, dia tonga mpanompon'ny fahamarinana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6850DF17-DD67-47F4-A544-2E545F2EB0BD 19 Miteny araka ny fanaon'ny fanaon'ny olona aho noho ny fahalemen'ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94E9E60F-13EF-4340-9F95-FD2D8289AA4F 20 Fa fony mpanompon'ny ota hianareo, dia afaka tamin'ny fahamarinana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF6E1739-8E50-45B9-B60F-603F835CDADB 21 Inona ary no vakatra azonareo fahiny tamin'izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? fa fahafatesana ny hiafaran'izany zavatra izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EF967C1-0A32-4F60-92E9-0E00535110F7 22 Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota hianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB64B573-B0F0-47D9-9F0B-E600DB22B4C1 23 Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30137C1E-B60E-4459-B471-0DEBC561595B
|