Andininy
Protestanta Malagasy
8
Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|406E8B07-1045-4C61-9622-AAB488FDD160
9
ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A41D345-1485-42D4-B71C-740E31DEE25A
10
Fa ny amin'ny nahafatesany, dia maty ny amin'ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin'ny ahavelomany kosa, dia velona ho an'Andriamanitra Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A27D300-497D-46A5-B77F-3DE4A6244748
11
Ary aoka ho tahaka izany koa hianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6EF79C28-AC7A-4FD9-95DB-E07D06BCFDFB
12
Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AEC26C7C-BFE3-49EC-9F96-B3D72071EA23
13
ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2FAF419-F780-4A69-A26B-D127B3ACC377
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany