Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tsy fantatrareo va, ry rahalahy (famiteny amin'izay mahalala ny lalàna aho), fa ny lalàna dia manapaka ny olona, raha mbola velona izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|787F738C-95A3-49B5-BA50-7E5B52B2FD7D
2
Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin'ny lalàna ho an'ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'ny lalàn'ny lahy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB9CC75C-FAD8-46BA-A978-D6980C27D4A5
3
Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32785A46-06BE-4D7A-A60D-EABFEC9E4022
4
Ary amin'izany hianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin'ny lalàna noho ny tenan'i Kristy, mba ho vadin'ny hafa hianareo, dia Izay natsangana tamin'ny maty, mba hahavokarantiska ho an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBFCE7B3-3184-44A1-B9B4-DD3A4597D7E9
5
Fa fony tao amin'ny nofo isika, dia ny filan'ny ota, izay nohetsehin'ny lalàna, no niasa tao amin'ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin'ny fahafatesana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EEED74E-F656-497A-90C4-34FD33E88B67
6
Fa ankehitriny dia efa afaka tamin'ny lalàna isika, satria maty amin'izay nihazona antsika, ka dia manompo amin'ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin'ny hahelan-tsoratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D38F831-17CE-48E8-B5F1-CC7F48FECE0F
7
Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ota aho, raha tsy tamin'ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: Aza mitsiriritra (Eks. 20. 17).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05DD53C4-95B4-4F86-9CAB-E4B37BDF2FCA
8
Fa io didy io dia nentin'ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota, raha tsy misy lalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D81E80F-6C35-494D-B00B-1571351F1E7D
9
Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C739DA96-6FCC-4E49-9AC8-9304B5282BEA
10
Ary ny didy izay natao hahazoana fiainana dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35674984-0116-48CA-AC37-0780BDDD94EB
11
Fa io didy io dia nentin'ny ota namitaka sy nahafaty ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F00333D0-D7BD-47CD-A232-200A04FEABA2
12
Ka dia masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D23C8B0-7891-4904-93CD-9BE9C3CFD69D
13
Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon'ny lalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37DB7AFF-7450-4650-87BB-B204E48FD078
14
Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon'ny ota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E02F771-C363-4A60-8D3A-237F544736B7
15
Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F19723E9-CDF1-4F87-8D3F-F9C3093B39D4
16
Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04E05D38-08DC-4968-B7B6-3EC33D5058C9
17
Ary amin'izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BFBB0FE-3071-4378-B3E0-1CD7203828D5
18
Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin'ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93AB6A63-0558-46AC-8252-E688454B96BC
19
Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAE96020-329F-4828-9ED4-0735F78F3741
20
Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B832CEA-3B1E-4EFF-959F-03915FD70812
21
Koa hitako izao lalàna izao: raha ta-hanao ny marina aho, dia ato amiko ihany ny ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE207C09-7BE7-459E-98A4-AE6E144621A7
22
Fa mankasitraka ny lalàn'Andriamanitra aho araka ny toetra anaty;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBE21D19-02BD-46C5-8084-95BA722B31AD
23
nefa mahita lalàna hafa amin'ny momba ny tenako aho, miady amin'ny lalàn'ny saiko ka mamabo ahy ho an'ny lalàn'ny ota izay ao amin'ny momba ny tenako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2504F157-BBF1-4315-ADF9-5CAFCDB70843
24
Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin'ny tenan'ity fahafatesana ity?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CACE194A-C711-429E-876B-E2B1E2582F5D
25
Misaotra an'Andriamanitra aho amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankatô ny lalàn'Andriamanitra aho amin'ny saiko, fa ny lalàn'ny ota kosa amin'ny nofoko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4ABE406E-FA7A-4E18-8142-387983D87750
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany