Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DD812B6-EE13-4497-9C76-9690BBAD7A6A
2
Fa ao amin'i Kristy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana sy ny fahafatesana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B04E9C4-C52B-4665-A325-932825477F94
3
Fa izay tsy hain'ny lalàna, satria nofo ny nahalemy azy, dia vitan'Andriamanitra tamin'Izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin'ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin'ny nofo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD28E4BC-924B-4033-AB7E-CC5DB3EE5385
4
mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain'ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8193CF8D-D74D-48F5-BDA6-E120A5BAA5D1
5
Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23E772D5-A6D2-4CA9-96C0-412E676C3041
6
Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, (sy fiadanana)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29065380-E1AF-4526-ABBA-1113E4B6BEC7
7
satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra izy, sady tsy hainy akory izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8F1C67A-DB6A-4E97-B755-3EC2F5ABF4B5
8
Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0A09A46-8FE0-4DD7-8E5E-08AEA8520438
9
Fa hianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59CE3E4E-F252-43F5-9D39-5314B2FFE684
10
Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68EBD63D-9190-42CA-AD3D-AB21185FBA42
11
Ary raha ny Fanahin'Izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|023D1BB0-2ED6-4CF0-966E-134CE4208086
12
Ary amin'izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika - tsy amin'ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81119860-2A3F-49A1-9B53-8D6190955516
13
Fa raha velona araka ny nofo hianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoana ny asan'ny tena, dia ho velona hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0631CCD-5E0F-4D15-AFA2-203D6F931252
14
Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26AA9721-4476-4C56-8985-8AD71328D968
15
Fa tsy nandray fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray hianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba Ray ô.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9D470CA-2CA2-4F29-B191-18750C68970D
16
Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E51D5F66-EC19-40F8-BA3A-917A23759B79
17
Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E745C91-DF5E-4351-A947-487BBA11F01B
18
Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao ida tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D910D9D2-1426-4FC7-B5D5-12FBB58B82B0
19
Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FEC570D-33DE-463D-B9D3-3A776D97A291
20
fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho izay nampanaiky azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E057F8CA-5278-4DCF-85DF-1FE34AD4E02A
21
sady mahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin'ny fahandevozana, dia ny fahalôvana, ho amin'ny fahafahana izay momba ny voninahitr'ireo zanak'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3553DCBB-6062-4247-829A-CA4EDED63F23
22
Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5E41B45-D46C-4F5E-977B-18C2D316F806
23
ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, eny, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan-anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B57FA2DD-D814-4D7F-9C1C-48D395C2B48B
24
Fa ny fanantenana no amonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan'ny olona izay efa hitany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B85B17D-47BA-488C-A981-B9D7DE2AC50A
25
Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C348CC0E-7375-42B4-AD75-D93123220901
26
Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E36075B8-86A4-4A07-AB93-41CBABA41EE1
27
Ary Izay mandinika ny fo no mahalala ny hevitry ny Fanahy, satria araka an'Andriamanitra ny fifonany ho an'ny olona masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E84ABBA8-7D5C-4E7F-B32B-A199787697AA
28
Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E10FA352-D037-40BD-BFAA-BFBC21A21985
29
satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin'ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin'ny rahalahy maro Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E99B1398-044A-48E6-AB8F-2C9FC15A199A
30
Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A96D683B-71D6-4BA1-B45D-545D2159FC85
31
Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antiska?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9E582BA-3581-45C4-8361-496A1E65994A
32
Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F48C5242-CCBE-489D-889D-C4D5E3B57427
33
Iza no hiampanga ny olom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11436A37-67D8-41E6-9F3B-ED6FEF83E91B
34
Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tànana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B65C52B-42F3-4F93-9FA9-55E2D91AEB63
35
Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AACDC1DF-9C3A-4B1B-99AF-48FB00E7F0C0
36
Araka ny voasoratra hoe: Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; Toy ny ondry hovonoina no fijery anay (Sal. 44. 22).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A948F04-47FF-4A98-94C7-D19513E97DDC
37
Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'Ilay tia antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D37BD7D5-E430-408F-BAB7-2809A8E2B390
38
Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|222A8CE6-4860-4CF8-A5D3-0EF2B39F5D71
39
na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B3959AB-A41B-4040-977E-DD21E7B6ABDF
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany