Andininy
Protestanta Malagasy
28
Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E10FA352-D037-40BD-BFAA-BFBC21A21985
29
satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin'ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin'ny rahalahy maro Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E99B1398-044A-48E6-AB8F-2C9FC15A199A
30
Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A96D683B-71D6-4BA1-B45D-545D2159FC85
31
Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antiska?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9E582BA-3581-45C4-8361-496A1E65994A
32
Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F48C5242-CCBE-489D-889D-C4D5E3B57427
33
Iza no hiampanga ny olom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11436A37-67D8-41E6-9F3B-ED6FEF83E91B
34
Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tànana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B65C52B-42F3-4F93-9FA9-55E2D91AEB63
35
Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AACDC1DF-9C3A-4B1B-99AF-48FB00E7F0C0
36
Araka ny voasoratra hoe: Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; Toy ny ondry hovonoina no fijery anay (Sal. 44. 22).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A948F04-47FF-4A98-94C7-D19513E97DDC
37
Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'Ilay tia antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D37BD7D5-E430-408F-BAB7-2809A8E2B390
38
Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|222A8CE6-4860-4CF8-A5D3-0EF2B39F5D71
39
na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B3959AB-A41B-4040-977E-DD21E7B6ABDF
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany