Andininy Protestanta Malagasy 1 Paoly, voantso ho Apostolin'i Jesosy Kristy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Sostena rahalahy, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7AC8414C-A3E1-4B4D-9728-758F8FBD91A4 2 mamangy ny fiangonan'Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin'i Kristy Jesosy, olona voantso sady masina, mbamin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin'ny tany rehetra , dia azy sy antsika: qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87AA6459-7D52-4298-B3C0-55A22E19C8E2 3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6378FA64-8D6B-4356-93AB-125BD5662702 4 Misaotra an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena anareo ao amin'i Kristy Jesosy, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D2C0911-057D-4C20-BD4F-FD9F339AE0E8 5 dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin'ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09CAFE22-534F-4937-89FB-1661123BE7F4 6 araka ny niorenan'ny filazana an'i Kristy teo aminareo, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF6259B1-AE77-4A43-89BD-6DCB63E22126 7 ka dia tsy latsaka amin'ny fanomezam-pahasoavana rehetra hianareo, miandry ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|758A680F-1FD2-400B-BA3C-63EB4C72E61E 8 Izay hampiorina anareo koa hatramin'ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny hianareo amin'ny andron'i Jesosy Kristy Tompontsika. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FCC17E9-CFBD-4889-94CF-90CA8DC6C1DB 9 Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D132E62-5D05-4546-BA3E-50544FD93F94 10 Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny hianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|624DE8D6-75CC-4E8A-AA8A-273507FB8971 11 Fa efa voalazan'ny avy amin'ny ankohonan'i Kloa tamiko ny amin'ny toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42590536-DE96-41CC-B6E5-88E76AEBB194 12 Izao anefa no anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an'i Paoly, na: Izaho an'i Apolosy, na: Izaho an'i Kefasy, na: Izaho an'i Kristy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96D08E5E-FC7F-4739-A5A0-280B1BFEE72D 13 Voazarazara va Kristy? Paoly va no voahombo tamin'ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin'ny anaran'i Paoly no nanaovam-batisa anareo? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8CAE4A9-0B9F-49ED-B0CF-9FD5E2F266BB 14 Misaotra an'Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa hianareo afa-tsy Krispo sy Gaio, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E33BD1A-77C4-441D-AC3D-A397F0AE730B 15 fandrao misy milaza fa efa natao batisa ho amin'ny anarako hianareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E31E5F3-8C8B-4707-8034-AFF6195F9BFC 16 Nefa mba efa nanao batisa ny ankohonan'i Stefanasy koa aho; afa-tsy ireo dia tsy hitako izay nataoko batisa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58410D8B-4C09-4AFA-979D-6E47C42A8A4B 17 Fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara, tsy tamin'ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian'i Kristy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38DFD999-D3E8-4042-BDA7-99D6CC190D5C 18 Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C19FD19-957D-4771-B093-BA76878B488C 19 Fa voasoratra hoe:Hofoanako ny fahendren'ny hendry, ary holaviko ny fahalalan'ny mahalala (Isaia 29:14) . qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E42E0834-7716-4E05-8FF6-1D7A62744CFA 20 Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin'izao tontolo izao? Tsy nampodin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7948C1AC-6C82-4F7F-9D12-F69B9B11D1AA 21 Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren'Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy hahatonga izao tontolo izao hahalala an'Andriamanitra, ka dia ny fahadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Andriamanitra hamonjeny izay mino; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71D433C0-22CC-4E80-9689-81BC50B10E28 22 fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D43FF86-6813-4445-A0B1-CEF3F65D2074 23 fa izahay kosa mitory an'i Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin'ny Jiosy ary fahadalana amin'ny jentilisa, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71604917-DDF8-4309-BF23-21C9BCE5C568 24 fa amin'izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra . qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C57C3F85-7D56-4808-BD8B-5D623D3C0BCF 25 Fa ny fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen'Andriamanitra mahery noho ny olona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|597803DD-0368-43AE-AC59-88926DC1EB9B 26 Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A04D1205-2D5D-4A8E-ABA1-979B73D3E609 27 fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|108CFD91-7C0F-4A4E-B9B0-B50C83CD04CE 28 ary ny iva razana amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00086EDA-722D-438B-80BD-E0A84A31D5F1 29 mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6608FF12-9309-4405-99F9-C5749334AC4A 30 Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin'i Kristy Jesosy, Izay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54F13D5B-C543-41E3-B710-ABE6FF08FB61 31 mba ho araka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany (Jer 9:23) qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72C2CF90-06D6-4407-A2B5-35289E8BD1F7
|