Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin'ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD98D679-3823-4A6B-99C1-839D3CB98D1B
2
ary izy rehetra dia natao batisa ho amin'i Mosesy tao amin'ny rahona sy ny ranomasina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|092BBB73-CDF5-46D3-8D8F-EEA3E31DC360
3
ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54B02DFD-141F-48DB-81CF-90115E7A35D4
4
ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin'ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D98DEA5A-2B69-4BB9-8B01-4E47E1B6CEF5
5
Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak'Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|827E4918-342E-4956-9CC6-401812CBD1EE
6
Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan'ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A57F895-0BA3-48DD-8A9C-59CD91E82AA0
7
Ary aoka tsy ho mpanompo sampy hianareo tahaka ny sasany tamin'ireny, araka ny voasoratra hoe: Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao (Eks 32:6) .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B036CDE-F79B-4B74-833C-8F0D780AC40F
8
Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin'ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CFDBAD6-07A8-49E6-9245-D27AED718BAE
9
Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan'ny sasany tamin'ireny fanahy Azy, ka matin'ny menarana ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBCBE5A7-EBF3-43D7-A271-0E7702854FC1
10
Ary aoka tsy himonomonona hianareo tahaka ny sasany tamin'ireny, izay matin'ny mpandringana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86FAA8BA-5433-45F9-9DE7-B25DD593074E
11
Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan'ny faran'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF84D8FB-CA69-40C8-9646-CE72F86A28DC
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany