Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin'ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD98D679-3823-4A6B-99C1-839D3CB98D1B
2
ary izy rehetra dia natao batisa ho amin'i Mosesy tao amin'ny rahona sy ny ranomasina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|092BBB73-CDF5-46D3-8D8F-EEA3E31DC360
3
ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54B02DFD-141F-48DB-81CF-90115E7A35D4
4
ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin'ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D98DEA5A-2B69-4BB9-8B01-4E47E1B6CEF5
5
Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak'Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|827E4918-342E-4956-9CC6-401812CBD1EE
6
Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan'ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A57F895-0BA3-48DD-8A9C-59CD91E82AA0
7
Ary aoka tsy ho mpanompo sampy hianareo tahaka ny sasany tamin'ireny, araka ny voasoratra hoe: Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao (Eks 32:6) .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B036CDE-F79B-4B74-833C-8F0D780AC40F
8
Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin'ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CFDBAD6-07A8-49E6-9245-D27AED718BAE
9
Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan'ny sasany tamin'ireny fanahy Azy, ka matin'ny menarana ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBCBE5A7-EBF3-43D7-A271-0E7702854FC1
10
Ary aoka tsy himonomonona hianareo tahaka ny sasany tamin'ireny, izay matin'ny mpandringana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86FAA8BA-5433-45F9-9DE7-B25DD593074E
11
Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan'ny faran'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF84D8FB-CA69-40C8-9646-CE72F86A28DC
12
Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A660B8A-2168-4395-9294-DA0BF169E991
13
Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|614FC3C7-0CD0-4EB7-B896-E56CAA8B18CE
14
Koa amin'izany, ry malala, mandosira ny fanompoan-tsampy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6EDB32E-7054-4D17-BD44-816CAB470732
15
Miteny toy ny amin'ny olo-manan-tsaina aho; heveronareo izay lazaiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF0E0CCA-287A-4283-9851-BDF0951262CF
16
Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin' ny ran'i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin' ny tenan'i Kristy va izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F2CD1C4-133B-45A9-BFFC-774C7097E920
17
Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin'izany mofo iray izany avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C13F793A-925F-4645-89A6-5C5D6173AFA6
18
Indreo ny Isiraely araka ny nofo; moa izay mihinana ny fanatitra tsy mpiombona amin'ny alitara va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82CEDB6E-6BC8-4C9E-ADD9-12F6E799F0BF
19
Inona ary no holazaiko? Mety ho zavatra va ny hena aterina amin'ny sampy, na mety ho zavatra va ny sampy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F4FB081-8A8A-46D1-945E-35D01C77DC35
20
Tsia, fa izay zavatra aterin'ny jentilisa ho fanatitra, dia aterina amin'ny demonia, fa tsy amin'Andriamanitra (Deo 32:17) ; koa tsy tiako ho mpiombona amin'ny demonia hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9088E67F-9D89-43F7-B83E-6178D28B558B
21
Tsy mahazo misotro amin'ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia hianareo; tsy mahazo mihinana amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACF34D77-12A9-4B54-98C5-ADDC19B2667E
22
Mampahasaro-piaro ny Tompo va isika? Mahery noho Izy va isika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CD5B30F-4A10-4E54-9689-E752A5936186
23
Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa, ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4312BEB6-A7C2-49AD-AC3E-8E9EEB77F447
24
Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A45F59C9-6B2D-4565-B333-34A8DCF9914C
25
Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0349909B-C23D-42B2-A781-81C115319124
26
fa an'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy (Sal 24:1) .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|116AD5D0-0970-480F-AACF-12B3029C71D9
27
Ary raha misy amin'ny tsy mino manasa anareo, ka ta-handeha hianareo, dia hano izay arosony eo anoloanareo, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCD12E49-0F2D-41A2-BD0A-B2867D774422
28
Fa raha misy manao aminareo hoe: Hena naterina tamin'ny sampy io, dia aza homana noho ny amin'ilay nilaza sy ny fieritreretana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A0D9B8D-ABB0-4892-AE07-0F9384E72C44
29
Fieritreretana, hoy izaho, tsy ny an'ny tenanao, fa ny an'ny olon-kafa; fa nahoana ny fahafahako no dia tsarain'ny fieritreretan'ny olon-kafa?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1370CFCF-5CD6-4C11-9385-2519B5092D92
30
Fa raha amin'ny fisaorana no andraisako izany, nahoana aho no tenenina ratsy amin'izay anaovako fisaorana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABAF1B4D-8DF7-43AD-BA4C-559379DE87E5
31
Koa amin'izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA2A9AD4-9E44-4A04-A735-BFE76B32AD25
32
Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan' Andriamanitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45FE2FA9-1737-4543-B42D-0E6FEBCA0627
33
dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6576FF8C-957B-47CF-A4EC-38EC67730E5B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany