Andininy
Protestanta Malagasy
1
Aoka hanahaka ahy hianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E7BB548-A519-4BCA-BD33-36F23138E7B9
2
Ary midera anareo aho, satria mahatsiaro ahy amin'ny zavatra rehetra hianareo, sady mitana tsara ny fampianarana natolotra, araka ny nanolorako azy taminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18C46E02-045C-4EFC-8D1A-5BF16C264C8A
3
Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan'ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan'ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57669A37-233D-4DA9-BE09-FF1926B89DB7
4
Ny lehilahy rehetra, raha mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|883DF61A-1A03-42DD-9AF9-C4F7875C7BE9
5
Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8B83BFA-B8A2-467C-A723-33D06B0B42F5
6
Fa raha tsy misaron-doha ny vehivavy, dia aoka hohetezana izy; fa raha mahamenatra ny vehivavy ny hohetezana na ny hoharatana, dia aoka hisaron-doha izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|974E069C-1526-417E-97E3-ADE24866142F
7
Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr'Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B623098D-6991-4907-8196-FDCB188276CF
8
Fa tsy ny vehivavy no nihavian'ny lehilahy; fa ny lehilahy no nihavian'ny vehivavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BE680D8-2CEE-40A0-816B-486C48FA87C6
9
Fa tsy ny lehilahy no natao ho an'ny vehivavy, fa ny vehivavy no ho an'ny lehilahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C93D676B-9B1F-4C7F-9B93-AE54486721A2
10
Izany no mahamety ny vehivavy hisaron-doha noho ny amin'ny anjely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D987207E-6844-46CE-9609-4DC3BE98433B
11
Kanefa ao amin'ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03CC0A5E-F021-4458-B456-7D703819B497
12
Fa toy ny nihavian'ny vehivavy avy tamin'ny lehilahy, dia toy izany koa no nihavin'ny lehilahy avy tamin'ny vehivavy; fa Andriamanitra kosa no ihavian'ny zavatra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|209C89D8-539D-40B2-A79C-43E349388231
13
Hevero ao am-ponareo: Mendrika va raha mivavaka amin'Andriamanitra ka tsy misaro-doha ny vehivavy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99AABFA1-7887-45F3-83D5-E3D2672D9A1F
14
Tsy mampianatra anareo va izao fomban'ny zavatra rehetra izao fa raha lava volo ny lehilahy dia mahafa-boninahitra azy izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|143F08E8-494C-4AD9-9E6A-A2BC293D922D
15
Fa raha lava volo kosa ny vehivavy, dia voninahitra ho azy izany; fa ny volo no nomena azy ho fisaronana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB7929FC-39C3-485E-81F8-C64AFF567945
16
Fa raha misy olona toa tia ady, dia tsy manana izany fanao izany isika, na ny fiangonan' Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F19D45B7-D9E0-4DD8-9922-A6E01407DDB3
17
Ary raha manao izao didy izao aho, dia tsy midera anareo tsy akory, satria tsy miangona hihatsara hianareo, fa hiharatsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|332229BB-75EA-47E3-AC5D-6DFE6FD0FA44
18
Fa voalohany indrindra, raha miangona ao am-piangonana hianareo, dia reko fa misy fisarahana eo aminareo; ary mba misy inoako ihany izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E381E2C2-864D-4C59-8F82-336541A9601A
19
Fa tsy maintsy misy fitokoana eo aminareo, mba haseho eo aminareo izay olona ankasitrahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52E9DB89-F9B9-4F09-B08D-F83FD70A3C1F
20
Koa raha miangona hianareo, dia tsy misy hihinanana ny Fanasan'ny Tompo akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23CD8DED-5AB6-43C9-8387-C7D82DBF127E
21
Fa raha mihinana hianareo, dia samy homana ny sakafony avy aloha hianareo; koa ny anankiray dia noana, fa ny anankiray kosa mamo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A6E6C66-D376-4A2B-BF72-0D74959F96CD
22
Moa tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va hianareo? Sa manao tsinontsinona ny fiangonan' Andriamanitra ka manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko aminareo? Hidera anareo va aho? Tsy hidera anareo amin'izany aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|542004FD-663E-4353-A8E2-1F2FB3AD0B42
23
Fa izaho efa nandray tamin'ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin'iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7216537F-F546-46F9-B243-AB69F1B0E20D
24
ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako izay vakina ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9957231F-B9AA-4486-812D-C3836F331AAD
25
Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin'ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38958FCA-5DDE-4E99-A02A-4C62078CB6AD
26
Fa na oviana na oviana hianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo hianareo mandra-pihaviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9E83203-6518-4BAC-AE0B-EBA51477583D
27
Koa na zovy na zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3636FF87-0477-4CE3-8734-AB54D4728A05
28
Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin'ny kapoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E94EC196-5407-4E18-AA2D-2615A293545A
29
Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an'ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E90AF9B8-20B0-435C-8D47-4E4850D3DE78
30
Noho izany dia betsaka no marary sy marofy eo aminareo, ary maro ihany no efa nodi-mandry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AAC8EC0-99E0-4742-93C5-A80DFDCE952F
31
Fa raha mba mamantatra ny tenantsika isika, dia tsy mba hotsaraina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59CFE7CA-FDF0-407B-81D6-8B5CD71FD2F1
32
Fa raha tsaraina isika, dia faizin'ny Tompo mba tsy hohelohina miaraka amin'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8885B30D-9F81-4E27-BDED-4B4DF3683F93
33
Koa raha miangona hihinana hianareo, ry rahalahy, dia mifampiandrasa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22885890-CF5A-4D04-A794-E9B67F327ADF
34
Ary raha misy olona noana, aoka izy hihinana ao an-tranony, mba tsy hiangonanareo ho fahamelohana. Ary ny zavatra sisa dia halahatro, rehefa tonga aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|274DE3A6-1A17-4946-B960-8D2F8B193CAC
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany