Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ny amin'ny zava-panahy, ry rahalahy, dia tsy tiako tsy ho fantatrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FC9E884-AA21-4C62-836B-260BFC72B0EA
2
Fantatrareo fa fony jentilisa hianareo, dia nentina tany amin'ny sampy moana araka izay nitaomana anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F53117F5-9F20-4C1D-AE36-4FD8CE912A03
3
Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin'ny Fanahy Masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88A048C1-BBF7-487B-B47A-CD7BC1E0226E
4
Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6C191EB-3A54-4C10-8A7F-C528E050BE32
5
Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2689A3FD-98DB-4DB2-9101-4C162B9854D9
6
Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96EA0C9F-8BFA-4495-B9F9-0DE998B19C58
7
Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AC966AA-62A0-4512-9F70-9B6C2DA189ED
8
Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1862E79D-B545-464E-89AD-51D87F63B0A8
9
ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E55F3BF-4D4C-4D56-9DFA-5C44032B0996
10
ary ny anankiray ny manao fahagagana, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE48471A-98D7-487C-85F5-7EB1E1908CBA
11
Ireo rehetra ireo dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F1B52C8-78DD-4F71-82FB-9EE25C27BAB6
12
Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9349C1B-FC8B-4146-9B90-AB1FAB6E48F8
13
Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5405611F-9782-40A5-BE41-1CB2909FABF1
14
Nefa ny momba ny tena tsy iray, fa maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67BD90F3-5D37-4562-890B-CA143BC2DEE6
15
Raha ny tongotra hanao hoe: Satria tsy tànana aho, dia tsy mba momba ny tena,-amin'izany dia tsy momba ny tena va izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AEBEEF4C-B531-4AFB-9369-A5EB961C5C84
16
Ary raha ny sofina hanao hoe: Satria tsy maso aho, dia tsy mba momba ny tena,-koa amin'izany dia tsy momba ny tena va izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1F27E41-4F84-4D7C-99B1-987406215F28
17
Raha maso avokoa ny tena rehetra, aiza ary izay fandrenesana? Raha fandrenesana avokoa, aiza ary izay fanimboloana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA5EF0E0-1200-4E44-AE89-BC660C9574B1
18
Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin'ny tena araka ny sitrapony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70BB8A97-8B0D-4D68-9360-FEFB6BB8F6F4
19
Ary raha izay rehetra momba ny tena no tonga iray monja, aiza intsony izay tena?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80B7C465-E89A-41FF-A2C6-5F5007B3FFCB
20
Fa maro ny momba ny tena, nefa ny tena dia iray ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E392AE5-FDAC-40FE-8087-4636B607A971
21
Ary ny maso tsy mahazo manao amin'ny tànana hoe: Tsy mila anao aho; ary indray, ny loha tsy mahazo manao amin'ny tongotra hoe: Tsy mila anareo aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61EC2488-2403-44C3-B9A7-648B159FE79D
22
Fa mainka ilaintsika aza ny momba ny tena izay atao ho malemilemy kokoa noho ny sasany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC31BBA8-A342-4DB2-BBAB-DEDCFD99535B
23
Ary ny momba ny tena izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa dia tafiantsika voninahitra bebe kokoa; ary izay tsy misy haja amin'ny momba ny tenantsika no hajaintsika kokoa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1BBA1E2-154D-44AA-BC3A-56F9A08E47AE
24
fa tsy mila izany ny efa misy haja raha teo amin'ny momba ny tenantsika. Fa tamin'ny nanamboaran'Andriamanitra ny tena, dia izay kely voninahitraa no nomeny voninahitra bebe kokoa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEB638B9-4FE7-49C5-AE45-8C6BD1E2EF2F
25
mba tsy hisy fisarahana eo amin'ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B49D7DDE-BA07-4CF7-9D9F-F9D7191A7F7E
26
Ary raha mijaly ny anankiray amin'ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin'ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF2272F8-A490-4768-AEBC-0607B8049780
27
Ary hianareo no tenan'i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|037D4BE4-1683-4854-BAD8-10BE6E2D24D6
28
Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin'ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|383A0C97-B77B-4C1B-B083-C5282F2099C7
29
Apostoly va izy rehetra? Mpaminany va izy rehetra? Mpampianatra va izy rehetra? Manao fahagagana va izy rehetra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|088F9449-FD92-4272-9E6B-C2603AB2ED5F
30
Manana fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana va izy rehetra? Miteny amin'ny fiteny tsy fantatra va izy rehetra? Mandika teny va izy rehetra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BE03FD2-F388-4922-8F08-56353D153B94
31
Nefa maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra; ary, indro, izay làlana tsara indrindra no atoroko anareo:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55F9A983-FA10-4578-9F8B-CE260848995B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany