Andininy
Protestanta Malagasy
1
Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29B5A264-A5FA-49C0-BEF0-CB249677538E
2
Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana dia tsinontsinona aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F6FB0C2-2BB5-4F34-897B-8D4536491A9C
3
Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB442E14-F708-4822-957B-652CEC9FE728
4
Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55C716D6-71DC-4879-AE2B-D65334592CBF
5
tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC0B3107-AF38-4A67-BD84-E9C368302EA8
6
tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96AB5C08-85F6-4836-B4FC-2424A4C9449A
7
mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|320CBCF1-FF0B-42C1-9337-939B01FD8EBC
8
Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|069479A4-64D0-474F-BB67-6C5E882A6809
9
Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56FBC0BE-50D8-4CFA-8339-F65A166BADAB
10
fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|624C94A3-9B1D-411B-A0A9-D91F0A3436BA
11
Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02DB2ABE-872F-411C-AA54-9D4AFCC67D63
12
Fa ankehitriny isika mizaha ao amin'ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4FDB6E7-3444-4F9C-8EA3-3A47D28E3779
13
Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|402B05F6-AFC0-4C2B-8AE0-CD26559302D6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany