Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5EDC3A0-C352-48CA-8031-8B70ECF95923
2
izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|520D1C1A-A112-4754-BB99-EC87CB4C8165
3
Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B30B344-DB1D-49D2-9447-289515D04B14
4
dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|666B412A-D4C4-4951-AECE-AA1EE515297B
5
ary niseho tamin'i Kefasy Izy, dia vao tamin'ny roa ambin'ny folo lahy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|316C5BBF-0B0E-4BAC-976D-D83EBCF71288
6
Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby diman-jato Izy, ny anakamaroan'ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFEAAB11-1793-4478-BDBC-BA4A836A821E
7
Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'i Jakoba Izy, dia tamin'ny Apostoly rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A5712A4-679A-4525-A68C-1F7241DDE95A
8
Ary faran'izy rehetra, izaho izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBEB31C4-AB7F-4495-86FC-2D63925CDE12
9
Fa izaho dia ambany indrindra amin'ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan' Andriamanitra aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28717215-A506-4E7A-B9D7-C1AB845884A0
10
Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan'Andriamanitra no niara-niasa tamiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|685E3383-794F-4C52-B8A3-21D7D4511E19
11
Koa na izaho na ry zareo, dia araka izany no fitorinay, ary araka izany koa no ninoanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0FE0B45-368C-40E1-B6DC-C212219E8693
12
Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53C02522-CD25-4115-901B-8124C6FA8EAA
13
Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1DEE8C5-9DB4-4B2B-93A9-590D6FFF175D
14
ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny tori-teninay, ary foana koa ny finoanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15601958-EA7D-4756-B5EB-AEFBEB301785
15
Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty dia tsy mba natsangany Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|695A6DFA-38CA-4375-956F-DB8455C5400C
16
Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88E20CAC-667A-4F95-A65B-7345271588F6
17
ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany hianareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F54385E-6ACD-4E49-9D3C-B0B51681C24F
18
dia very koa izay efa nodimandry ao amin'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71F21EF2-47E2-4141-A2AD-5853269D3F56
19
Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA348042-8599-4C56-AEEA-AF0FDD6D3A18
20
Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin'ny maty tokoa Kristy ho santatr'izay efa nodi-mandry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D301624C-85D2-4938-8EF0-68C46CB0AF7D
21
Ary satria ny olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan'ny fitsanganan'ny maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD25C3F4-7FFF-4DF2-BC39-930261322658
22
Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|220E1DA1-B6D7-445C-A921-A26193E47D87
23
Nefa samy amin'ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an'i Kristy amin'ny fihaviany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FDDA461-E39C-40CC-957E-D2CE7794FB78
24
Ary rehefa afaka izany dia avy ny farany, ka amin'izay dia hatolony ho an'Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2EBE3DC-137E-445C-A08B-5EA7DD6BF256
25
Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin'ny tongony (Sal 110:1) .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48649AB8-4C0C-4C62-B6C8-03DE7ED089CF
26
Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|669BFEB3-C56B-4265-9BBB-10B7B9AAE5CC
27
Fa "ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin'ny tongony" (Sal 8:6) . Fa na dia hataony hoe aza: 'Ny zavatra rehetra no nampanekena," dia fantatra marina fa tsy mba isan'izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BECD3AD9-FE40-49ED-B556-8A43336A09C3
28
Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan'ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D97A5F0E-72F4-459F-89D8-70186EA0333F
29
Raha tsy izany, hanao ahoana izay atao batisa ny amin' ny maty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana ireny no atao batisa ny aminy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|808ED145-2031-42D6-ABF5-D36708285D7C
30
Ary nahoana izahay no manao vy very ny ainay mandrakariva?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18D2C92D-C422-49A7-8E6B-EE4FAE5340F5
31
Lazaiko marina, ry rahalahy, amin'ny fireharehako noho ny aminareo, izay ananako ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika, fa maty isan-andro aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE5853B3-57C1-4BF8-BDED-C257C72F9348
32
Raha araka ny fanaon'olona no niadiako tamin'ny bibi-dia tany Efesosy, inona no soa azoko amin'izany? Raha tsy hatsangana ny maty, dia aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty (Isaia 22:13) .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF3A7269-65BA-4DB3-B95B-8E56E29FD488
33
Aza mety hofitahina hianareo; ny fikambanana amin'ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DD94A8D-5079-47AE-88AC-1E01C645075E
34
Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an'Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|872464B4-562E-4893-902C-A5A85DD5E5A0
35
Fa hisy hanao hoe: Hatao ahoana ary no fanangana ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D765D700-7EE9-4E13-B119-DB534E976360
36
Ry adala, izay afafinao tsy hovelomina, raha tsy maty aloha;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAA5FB65-F132-4F60-8B41-7D601ACB15F2
37
ary izay afafinao, tsy dia ny tenany izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voam-bary, na voa hafa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16280D21-121B-45EC-A36E-547932E21635
38
fa Andriamanitra manome azy tena araka izay sitraky ny fony, ary ny voany rehetra dia samy omeny ny tenany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6753EE4-F885-4B68-9D85-052F145D2141
39
Tsy mitovy ny nofo rehetra; fa hafa ny an'ny olona, ary hafa ny nofon'ny biby, ary hafa ny nofon'ny vorona, ary hafa ny an'ny hazandrano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F83830CB-0B78-4CFC-8980-B7D6A8473AC3
40
Ary misy tenan'ny any an-danitra, ary misy tenan'ny ety an-tany, fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, ary hafa ny an'ny ety an-tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D84CEC6F-82FC-41B7-82E3-5447174E9922
41
Hafa ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary hafa ny voninahitry ny kintana, fa ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny kintana anankiray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF610B6E-4EE7-40C2-B05D-7973B30EE827
42
Dia toy izany koa ny fitsanganan'ny maty: Afafy amin'ny fahalovana izy, atsangana amin'ny tsi-fahalovana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80A95568-3E9E-4FEB-846D-5B99C2BA72D5
43
afafy amn'ny fahafaham-boninahitra izy, atsangana amin'ny voninahitra; afafy amin'ny fahalemena izy, atsangana amin'ny hery;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0E14B7E-25A4-45D6-9090-EB60E8EA947A
44
afafy tena araka ny fomban'aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. Raha misy tena araka ny fomban'aina, dia misy araka ny fombam-panahy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1E7CE32-CA87-412A-A035-AB4E113E0DF2
45
Ary araka izany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manan-aina (Gen 2:7) ; Adama farany natao fanahy mahavelona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|475E3279-70BF-4B7C-9ED3-71827EACFECB
46
Anefa tsy izay amin'ny fanahy no voalohany, fa izay amin'ny manan-aina, dia vao izay amin'ny fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|903101F1-6B92-4EF1-98E7-D9CD2D900D13
47
Ny olona voalohany avy amin'ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D5FEEDA-C5BB-4D9F-9D79-76FB4FB92528
48
Izay amin'ny tany dia tahaka ilay amin'ny tany; ary izay any an-danitra dia tahaka Ilay any an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4A4CFB0-A086-4DEC-B6DB-A4FD0BE737B0
49
Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin'ny tany no hitondrantsika ny endrik'Ilay any an-danitra koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25224842-C76C-4710-B4AE-B5041AB15312
50
Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalovana tsy mandova ny tsi-fahalovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80DE21E0-26FF-4E03-869E-4765E0AE5408
51
Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D85132E4-40E0-4F7C-A622-906EFB329108
52
fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E48289E-DA03-4641-9133-F6E9D58E897A
53
Fa ity mety lo ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalovana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7AFC3A67-5E39-423A-92DD-2C1343712663
54
Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalovana ity mety lo ity, ary mitafy ny tsi -fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe:Ny fahafatesana noresena ka levona (Isaia 25:8) .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17F594A8-5F37-4000-9664-7B3F52A5AA7D
55
"Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô aiza ny fanindronanao? (Hos 13:14).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C03915DF-A8CE-4E04-8F0F-E5E093CD5BC6
56
Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08691FAD-BFD7-4341-8871-66FDA76551DB
57
Fa isaorana anie Andriamanitra Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D7EAA3A-AFB0-4861-8099-AC94E21086C5
58
Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECA8AEBD-B5B6-4529-89B8-A3C4E164CC18
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany