Andininy Protestanta Malagasy 12 Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53C02522-CD25-4115-901B-8124C6FA8EAA 13 Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1DEE8C5-9DB4-4B2B-93A9-590D6FFF175D 14 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny tori-teninay, ary foana koa ny finoanareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15601958-EA7D-4756-B5EB-AEFBEB301785 15 Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty dia tsy mba natsangany Izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|695A6DFA-38CA-4375-956F-DB8455C5400C 16 Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88E20CAC-667A-4F95-A65B-7345271588F6 17 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany hianareo; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F54385E-6ACD-4E49-9D3C-B0B51681C24F 18 dia very koa izay efa nodimandry ao amin'i Kristy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71F21EF2-47E2-4141-A2AD-5853269D3F56 19 Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA348042-8599-4C56-AEEA-AF0FDD6D3A18
|