Andininy
Protestanta Malagasy
12
Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53C02522-CD25-4115-901B-8124C6FA8EAA
13
Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1DEE8C5-9DB4-4B2B-93A9-590D6FFF175D
14
ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny tori-teninay, ary foana koa ny finoanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15601958-EA7D-4756-B5EB-AEFBEB301785
15
Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty dia tsy mba natsangany Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|695A6DFA-38CA-4375-956F-DB8455C5400C
16
Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88E20CAC-667A-4F95-A65B-7345271588F6
17
ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany hianareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F54385E-6ACD-4E49-9D3C-B0B51681C24F
18
dia very koa izay efa nodimandry ao amin'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71F21EF2-47E2-4141-A2AD-5853269D3F56
19
Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA348042-8599-4C56-AEEA-AF0FDD6D3A18
20
Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin'ny maty tokoa Kristy ho santatr'izay efa nodi-mandry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D301624C-85D2-4938-8EF0-68C46CB0AF7D
21
Ary satria ny olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan'ny fitsanganan'ny maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD25C3F4-7FFF-4DF2-BC39-930261322658
22
Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|220E1DA1-B6D7-445C-A921-A26193E47D87
23
Nefa samy amin'ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an'i Kristy amin'ny fihaviany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FDDA461-E39C-40CC-957E-D2CE7794FB78
24
Ary rehefa afaka izany dia avy ny farany, ka amin'izay dia hatolony ho an'Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2EBE3DC-137E-445C-A08B-5EA7DD6BF256
25
Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin'ny tongony (Sal 110:1) .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48649AB8-4C0C-4C62-B6C8-03DE7ED089CF
26
Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|669BFEB3-C56B-4265-9BBB-10B7B9AAE5CC
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany