Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo dia tsy tonga tamin'ny teny sy fahendrena marevaka, raha nitory taminareo ny zava-miafina izay an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD9AD3B1-9FC0-46B9-AD1A-66AAC4685CD9
2
Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE279619-8A25-4C64-AC73-1852203624CE
3
ary izaho, raha tany aminareo, dia azon'ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFCA2F39-548A-4E10-8131-DF6D7F7709D2
4
ary ny teniko sy ny tori-teniko dia tsy tamin'ny teny fahendrena mahataona, fa tamin'ny fanehoan'ny Fanahy sy ny hery,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|680C92BB-68A3-40DD-838D-FB67CF803B48
5
mba tsy hiorenan'ny finoanareo amin'ny fahendren'ny olona, fa amin'ny herin'Andriamanitra ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9EB64BE-BC9C-4505-AD7E-D926B1D4996E
6
Anefa milaza fahendrena amin'ny efa matanjaka izahay, fa tsy ny fahendren'izao tontolo izao, na ny an'ny mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B6EC019-66AD-4BC5-BDCB-11B101D04242
7
fa milaza ny fahendren'Andriamanitra izahay ka maneho zava-niafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin'Andriamanitra ho voninahintsika talohan'ny nanaovana izao tontolo izao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8D2A8A7-3FB8-4168-A9D6-F31D18D0F864
8
ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy nohomboany tamin'ny hazo fijaliana ny Tompon'ny voninahitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FC74D9F-544A-4963-AFB7-3B343B0A3C6E
9
Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy (Isaia 64:3) .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21A47ABB-AF37-42A2-A8D5-E917B2EC8C3C
10
dia isika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47798ED9-D1A0-46C3-BC5B-5FC6249B023E
11
Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon'olona afa-tsy ny fanahin'ny olona izao ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D895FF99-BB96-4A1F-9607-B0802F425B1C
12
Fa isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen'Andriamanitra antsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AB98A68-F217-453B-BC8F-8BB250203DA9
13
Izany koa no lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona, fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona araka ny Fanahy izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9712C83-49F0-49A9-8F23-E15983DCCD73
14
Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A755A87-C448-4421-8346-7FDB0A7D0F85
15
Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE4E7532-0320-48B9-92A1-4B3B3681057D
16
Fa iza no nahafantatra ny sain'ny Tompo mba hampianatra Azy? (Isaia 40:13) . Fa izahay manana ny sain'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC210C99-7DA9-4E87-BC28-A5DB4A39BA07
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany