Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin'izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin'izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin'i Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64A2E647-E656-43B7-8FFD-73888219ED30
2
Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka hianareo; eny mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|392036C9-8550-4625-9892-D33D0C2D3260
3
fa mbola araka ny nofo ihany hianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va hianareo ka mandeha araka ny fanaon'ny olona?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DF528E3-1A33-4FF9-A5A8-75E89FBC2DE1
4
Fa raha hoy ny anankiray: Izaho an'i Paoly, ary ny anankiray kosa: Izaho an'i Apolosy, moa tsy olona ihany va hianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEDB0624-740C-442E-9136-18FDB6B84388
5
Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen'ny Tompo azy avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F6F5734-D71C-4963-A3E9-3DF638FDFFEC
6
Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD200B01-F24F-4107-BBE1-DC3CA444DD10
7
Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D5AB6EC-C332-4D83-ADBA-3E0ED0B01A05
8
Ary iray ihany ny mpamboly sy ny mpandena, nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E8651CB-4996-4C3F-B778-F431ABEB409D
9
Fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay; ary sahan'Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4397D5A5-401B-4609-9156-861964DD0C6C
10
Araka ny fahasoavan'Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny fanaon'ny mpita-marika mahay no nanaovako ny fanorenana, ary ny hafa mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E2557E8-AEA0-49AB-90C5-F4F15A854F22
11
Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7C3BF31-C242-4D8D-B73D-9A4AF90CADD8
12
Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin'ny fanorenana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58939F96-F12D-416C-A3BF-76B42161CFD9
13
dia haseho avokoa ny asan'ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin'afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra amin'ny afo ny asan'ny olona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FC9A650-5AFA-482F-85FC-CA00D39CB08C
14
Raha maharitra ny asan'ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93D4523A-57FE-4718-9FC4-0E483AFA2E17
15
Raha ho levon'ny afo ny asan'ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin'ny afo ihany izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92C071DA-CEB4-408F-8318-929E9A4E77E2
16
Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra ao anatinareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FDACA44-1531-43D5-88E3-75D29F63C81A
17
Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia hianareo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71CC30B2-CF8D-4FB7-8F6E-4C075897B51D
18
Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin'izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7039FF98-98B7-4B26-AFDF-A43EFDC27F43
19
Fa ny fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan'Andriamanitra; fa voasoratra hoe: Ny hafetsen'ny hendry ihany no nentiny misambotra azy (Joba 5:13) .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44B5FCDF-755E-4707-93E6-A4915019346F
20
Ary indray:Jehovah no mahalala ny hevitry ny hendry, fa zava-poana izany (Sal 94:11) .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE8A1C67-05C1-4050-ADE1-64A330CC1094
21
Ka dia aza misy manao olona ho reharehany; fa anareo ny zavatra rehetra:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21D678E7-3415-4FB7-84D6-9139D83157F5
22
na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny, na ny zavatra ho avy; dia anareo izany rehetra izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F0A8536-E90F-4306-999C-8F707E9F584B
23
ary hianareo an'i Kristy, ary Kristy an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59A15631-FC36-4BC4-BF14-0684F8C6F17C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany