Andininy
Protestanta Malagasy
1
Aoka hataon'ny olona ho mpanompon'i Kristy sy mpitandrina ny zava-miafina izay an' Andriamanitra izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8C04755-80E4-479B-A821-B24866EFB81C
2
Ary raha izany, dia fantatrareo fa ny mpitandrina dia tokony ho olona mahatoky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85403B4F-3741-4970-BF95-BD134DF2A791
3
Fa raha ny amiko, dia ataoko ho zavatra kely foana, na hotsarainareo aho, na hotsarain'olona; fa ny tenako aza tsy mitsara ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26D8ADFA-5E53-4A22-BF09-5759A389FAA1
4
Fa tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany; fa ny Tompo no Mpitsara ahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DF64850-E310-41DB-B15D-9B98066F9A70
5
koa amin'izany aza mitsara na inona na inona alohan'ny fotoana, dia ny fihavian'ny Tompo, Izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin'ny maizina ka hampiseho ny fikasan'ny fo; dia samy hahazo izay derany avy amin'Andriamanitra izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA1549C2-28C2-4FFC-9314-ED42269FBC37
6
Ary izany zavatra izany ry rahalahy, nataoko oha-teny hilaza ahy sy Apolosy noho ny aminareo, mba hianaranareo aminay ny tsy hihoatra noho ny voasoratra, mba tsy hisy hireharehanareo hankalaza ny anankiray, fa hanevateva ny anankiray kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06B51EBC-16A0-43FC-A555-E991D1B4A089
7
Fa iza no mampihoatra anao? Ary inona no anananao izay tsy noraisinao. Fa raha nandray ihany hianao, nahoana no mirehareha hoatra ny tsy nandray?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F07565E3-B371-48B6-B132-E59A77B1442B
8
Efa afa-po sahady hianareo, efa manan-karena sahady hianareo, efa manjaka hianareo; kanefa hay! Tsy izahay tsy akory no nahazoanareo izany! Enga anie ka manjaka tokoa hianareo, hiarahanay sy hianareo manjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F5E20C4-3DB8-434D-BAF9-73F79F42586F
9
Fa ataoko fa nasehon'Andriamanitra ho faraidina izahay Apostoly, dia toy izay voaheloka hovonoina; fa izahay dia natao ho fizàhan'izao rehetra izao, na anjely na olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3045FA1E-3C33-46BF-A41C-B9ED1417CF30
10
Izahay dia adala noho ny amin'i Kristy, fa hianareo no hendry ao amin'i Kristy! Izahay malemy, fa hianareo no mahery! Hianareo manan-daza, fa izahay mavomavo!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AC929BE-F581-4715-AD80-46610D7EF887
11
Mandraka ankehitriny izao dia noana sy mangetaheta sy tsy manan-kitafy sy asiana totohondry ary tsy manana antom-ponenana izahay;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15D4DB0A-F295-40A2-BFD7-33784A12BD6D
12
ary misasatra miasa amin'ny tànanay izahay; raha tevatevaina izahay, dia misaotra; raha enjehina, dia miaritra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBFCCCF7-16C4-4D3C-A1D2-E51DB7DF7A5D
13
raha tenenina mafy, dia mamaly teny moramora kosa; atao toy ny faditr'izao tontolo izao izahay dia faikan'ny olona rehetra, mandraka ankehitriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82FB54AA-3F91-46D6-93C2-D45EA35F501D
14
Tsy ny hahamenatra anareo anefa no anoratako izany zavatra izany, fa mananatra anareo toy ny zanako malalako aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F1A599A-D3E3-478E-806A-16595279E810
15
Fa na dia manana mpampianatra iray alina ao amin'i Kristy aza hianareo, dia tsy maro ray hianareo; fa izaho no niteraka anareo ao amin'i Kristy Jesosy tamin'ny filazantsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01615C42-9C42-42A9-B640-A049224DA78C
16
Koa mananatra anareo aho: manahafa ahy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F965D9B5-79EA-42CD-A016-B4845D080F03
17
Ary noho izany dia nirahiko ho any aminareo Timoty, zanako malalako sy mahatoky ao amin'ny Tompo, ka izy no hampahatsiaro anareo ny fanaoko ao amin'i Kristy, tahaka ny ampianariko ao amin'ny fiangonana rehetra eny tontolo eny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69E5E4FE-B8C9-483B-847E-F28D727BBA5E
18
Fa ny sasany mirehareha hoatra ilay tsy mikasa ho avy any aminareo iny aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD965F5A-2712-41B2-B0EE-6C63A97820C9
19
Fa ho avy any aminareo faingana aho, raha sitrapon'ny Tompo, dia ho fantatro izay herin'ireo mpirehareha ireo, fa tsy ny fiteniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1713ED11-619C-4062-A8D2-77506F3070DA
20
Fa ny fanjakan'Andriamanitra tsy amin'ny teny, fa amin'ny hery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49AAAD6E-B145-43A5-BE74-FEFABC42447F
21
Inona ary no tianareo? Ho avy aminareo mitondra tsorakazo va aho, sa amin'ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2D06B6A-E8B3-4BF5-B376-49F325AFFB8C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany