Andininy
Protestanta Malagasy
1
Aoka hataon'ny olona ho mpanompon'i Kristy sy mpitandrina ny zava-miafina izay an' Andriamanitra izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8C04755-80E4-479B-A821-B24866EFB81C
2
Ary raha izany, dia fantatrareo fa ny mpitandrina dia tokony ho olona mahatoky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85403B4F-3741-4970-BF95-BD134DF2A791
3
Fa raha ny amiko, dia ataoko ho zavatra kely foana, na hotsarainareo aho, na hotsarain'olona; fa ny tenako aza tsy mitsara ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26D8ADFA-5E53-4A22-BF09-5759A389FAA1
4
Fa tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany; fa ny Tompo no Mpitsara ahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DF64850-E310-41DB-B15D-9B98066F9A70
5
koa amin'izany aza mitsara na inona na inona alohan'ny fotoana, dia ny fihavian'ny Tompo, Izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin'ny maizina ka hampiseho ny fikasan'ny fo; dia samy hahazo izay derany avy amin'Andriamanitra izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA1549C2-28C2-4FFC-9314-ED42269FBC37
6
Ary izany zavatra izany ry rahalahy, nataoko oha-teny hilaza ahy sy Apolosy noho ny aminareo, mba hianaranareo aminay ny tsy hihoatra noho ny voasoratra, mba tsy hisy hireharehanareo hankalaza ny anankiray, fa hanevateva ny anankiray kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06B51EBC-16A0-43FC-A555-E991D1B4A089
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany