Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary amin'ireo zavatra nosoratanareo, dia tsara amin'ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C4F0BB2-7BCA-4A06-99D1-C40C0CB9D70D
2
Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CE4447A-6FAE-480E-9022-DABC7E390685
3
Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin'ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin'ny lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2C59188-83EA-4A37-B093-70F4BE080E1B
4
Ny vavy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny vavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F32624F5-75A2-4B50-A601-0F0D7B6637E9
5
Aza misara-pandriana hianareo, raha tsy amin'izay andro sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa mbola hiraisanareo fandriana indray mba tsy hakan'i Satana fanahy anareo noho ny tsi-faharetanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7604FD66-B094-4ED8-BF77-F347F640E932
6
Fandeferana anefa no anaovako izany, fa tsy mandidy aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0EF51276-393E-4CF6-AAE3-2414A134D60D
7
Fa tiako ho tahaka ahy ny olona rehetra; kanefa samy manana izay fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra azy avy, ka ny anankiray toy izao ary ny anankiray toy izao kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AAB14A2D-252D-4F78-894F-312BF8955BEE
8
Fa hoy izaho amin'ny tsy manam-bady sy ny mpitondratena kosa: Tsara aminy raha mitoetra tahaka ahy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9810F17-24BB-4C6F-AC40-F957C2678EE9
9
Nefa raha tsy maharitra izy, dia aoka hanam-bady ihany; fa tsara ny manam-bady noho ny ho maimay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8BB456A-5D24-49C2-9D43-DE1E31E2D915
10
Ary ny manam-bady dia didiako, nefa tsy izaho, fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin'ny lahy ny vavy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FD002F2-555E-4E93-8AE3-07195BA564B3
11
(nefa raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady, na aoka hody amin'ny lahy); ary ny lahy aoka tsy hiala amin'ny vavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D22FD1BA-C6E8-4CBC-B66C-9DD49B65B989
12
Fa amin'ny sisa, dia hoy izaho, fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12D3E06D-AAD7-4CCB-AD18-845441976753
13
Ary raha misy vehivavy manam-bady tsy mino, ka mety mitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy hialany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5ECAB0C8-FAC8-43C7-B57C-63177EEBC62D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany