Andininy
Protestanta Malagasy
25
Fa ny amin'ny virijina dia tsy manana didy avy amin'ny Tompo aho; nefa ataoko izay hevitro tahaka izay niantran'ny Tompo ahy ho mahatoky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11D8E9BF-B135-4208-8CB8-CEC3198EABD9
26
Koa izao no ataoko fa tsara amin'ny olona noho ny fahoriana miseho ankehitriny, dia ny mitoetra toy izao ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D2FC560-2F69-4EB5-84F4-0A5CB0E369F3
27
Manam-bady va hianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manam-bady va hianao? Aza mitady vady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E99DC24-5875-42A1-A403-03B289026ABE
28
Nefa na dia hanam-bady aza hianao, dia tsy manota tsy akory; ary na dia hanam-bady aza ny virijina, dia tsy manota izy. Kanefa kosa hanam-pahoriana amin'ny nofo ireny. Fa izaho miantra anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD967415-EDB0-4986-B5DC-CA38245A0B26
29
Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Efa fohy ny andro, mba ho toy ny tsy manambady ny manana amin'izao sisa izao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D00AFB4A-1FDC-4651-99A9-F7AF28ECCF84
30
ary mba ho toy izay tsy mitomany ny mitomany; ary mba ho toy izay tsy mifaly ny mifaly; ary mba ho toy izay tsy mahazo ny mividy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6D253C7-F343-4768-BDEB-C0EB0E156FED
31
ary mba ho toy izay tsy mahavatra izao fiainana izao loatra ny mahavatra azy, fa mandalo ny fanaon'izao fiainana izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87B74EE0-EB4C-4330-8938-956D9C78CFFA
32
Fa tiako tsy ho maro ahina hianareo. Izay tsy manam-bady dia miahy ny an'ny Tompo mba hahafaly ny Tompo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16035B77-D108-4E3E-9BCE-66952510DF28
33
Fa izay manam-bady kosa miahy ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9562A4F-4285-4241-97C4-E1FD5A3B5255
34
Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manam-bady sy ny virijina. Ny vehivavy tsy manam-bady mitandrina ny an'ny Tompo, mba ho samy masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manam-bady kosa dia mitandrina ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A63C18A-7AFE-4FAC-B149-585D6D7C9B20
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany